Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1261.
Izay ataonao rehefa tsy misy mpijery no tena ahalalana ny maha hianao anao.
niryna
1262.
Ny olombelona toy ny akondro,raha manondro ny lanitra iray ihany fa raha mihondrika, samy manana ny lafiny .
niryna
1263.
Ny vola aman-karena no afaka robaina fa tsy ny fahaizan.
niryna
1264.
Aza ny havana no asian-dratsy; fa tsy ho tratry ny hafa tsy akory.
niryna
1265.
Ny tsinay tsy mba vatsy,ny kibo tsy mba lamosina
niryna
1266.
Tono lavi-tompo, naho tsy manta, forototo.
Momake
1267.
Fiaboa ty raha soa, fañabokà ty raha raty
Momake
1268.
Manao toha i tambarimbarigne; ty mitoha ro minday raha raty (Ohabolana Antandroy)
Rejoake
1269.
Raha hijoro mangavoka toa valanirana, aleo mipetraka amin'ny anaran-kazo.
GEHTRIVAC
1270.
Ny fihavanana hono toy ny fasam-bazimba ka izay mandrava azy mialoha no kely ila.
GEHTRIVAC
1271.
-Mitonantonana hotran'ny vinanto tsy mahare fosa, vao eny ambaravarana dia efa mitsiky vendrana
danbal
1272.
Misavoamboana hoatran'ny tay entin-driaka
danbal
1273.
-Dedaka tonga rafozana, akoho iray no vonoina ka famaky no tadiavina
danbal
1274.
-Ranom-potaka aza manonja, ka mainka izany fa ranomasina
danbal
1275.
-Indray mandeha no manana patsa indray mahandro ka milaza tsy orin-daoka
danbal
1276.
Mahandro manao mantamanta, mitono manao lozidozitra, ka ny atao ihany no mankarary.
danbal
1277.
- Haingo diso an'Iarivo, havalony hateza
danbal
1278.
Sola miondana fanoto ka tafaray samy malama
njivo
1279.
na haiko aza ny fanafodim-balavo, de zaho tsy hamehe hena an-tsiky
DEDAKE
1280.
la engao aho ho terake amany hoy ny tsaboketsa, toy izay zaho tsy hitsaboky
DEDAKE
1281.
Tehatehaka ny an'i Ambodisiny fa Ambohimalaza no tompon'ny gora
Niankohofana
1282.
Hanina enti-matory; hirahira raha sendra tsaroana.
zonia
1283.
Ny vola tahaka ny mpivarotena; tsy mahalala fahanterana ; tsy mahalala havizanana.
zonia
1284.
Rajako manao palitao haitraitra fa tsy fandrosoana
milofo
1285.
Aza matory tsy manana eritreritra
niryna
1286.
Tsy misy tsara hoatra ny fanambadiana mifanaraka
niryna
1287.
Mitombo an-dalana hoatra ny dian'andriana.
niryna
1288.
Ratsy tarehy ambinin-doza ka mikarakara vao tsara.
niryna
1289.
Ny ho avy dia ho an'ireo izay efa namisavisa sy nieritreritra izany
niryna
1290.
Tsara ny mahay zavatra iray noho ny mahaihay zavatra maromaro.
niryna
Voalohany
Mialoha
41
42
43
44
45
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.015