Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1351.
Sinoa manambady baribary maso ka ny fanarenan-taranaka no zava-dehibe
ainasihery
1352.
Aza manao mpamosavy malemy ka ny ao an-trano ihany no haripaka
ravomahandry
1353.
Mpamosavy milevina amoron-dalana, matatesa valin-kitsaka
ravomahandry
1354.
Raha olona iray no tsy tia, hitoto koba aho hatavy; Raha olona maro no tsy tia, hisotro tangena aho ho faty
ravomahandry
1355.
Ny ana-draiamandreny toy ny tsipak'ombalahy, raha tsy mahavoa mahafanina, raha mahavoa mahafaty
ravomahandry
1356.
benangy miray fandriana ka ny any @ loha ndray no tery
Anja_Rasoa
1357.
Kalalao matin-dronono;maty amin'ny raha tiany
niry17
1358.
Betsileo tia sangy, ny rahampitso no tsinjoviny
aivetinakely
1359.
Adala ny tia ka ny tompom-bady indray no hafarana
aivetinakely
1360.
Raha tiana ho tody ny lakana itàna,ny tevin-damosiny aloha no zahàna; raha tiana hateza ny lamba tinafy,tsongoy ny tenony fandrao tsy mafy; raha tiana hateza ny fanambadiana,ny alarofatra no anontaniana!
zokieva
1361.
Ombin-tsarety mitondra henomby,ka lasa vinany ny fiainan-koavy! Voaforona t@ 2009
zokieva
1362.
fanambadiam-boalavo, ka Samy mikepoka izay azony
mpikabary
1363.
ny mpivady no tsy miresaka, very ny androatokom-pitiavana
mpikabary
1364.
mitsintsin ' orona otrin ' ny alika mita rano
kiriah
1365.
Be famangitra toa rambon'osy, ny lanitra tsy hianjera no tohanana, fa ny fitombenana lanin'ny moka tsy tsaroana.
romanzo
1366.
nidirampasoavambe toy ny mpanihika ny trondro azo ny fe voasasa
nalison
1367.
Ny adala tsy ambakaina zanahary no atahorana
VOARITINA
1368.
Ny fahendrena dia azo avy amin'ny fahalalana ary ny fahalalana dia azo avy tamin'ny fahadalana
niryna
1369.
Toy misy ondana malemy ny fisainana tsy misy ahiahy.
niryna
1370.
Ny fampiarana ny fahefana dia toy ny vola any amin'ny banky,araka nny ampiasainao azy no hanamaivana izany
niryna
1371.
Ny lasa tsy anenenana fa ahombiazana ny ho avy
niryna
1372.
Aza manao toy ny voalavo sasatry ny miaina ka saka matory avy no alam-bolombava.
niryna
1373.
Mirirodrirotra toy ny vorodamban'ikala adala
niryna
1374.
Valalan 'alika ka ny tompony aza tsy tia.
niryna
1375.
Ikala fohy mizaha lanonana, ka efa mody vao hitan'ny olona.
niryna
1376.
Raha avy ny "tokoa", dia lavitra ny lainga
niryna
1377.
Ny ditra mahakeli-ray.
niryna
1378.
Manjora mitsilany ka miverina any amin'ny tompony
niryna
1379.
Ny fatra-pandà ihany no manaiky
niryna
1380.
Matety mpihavy toy ny akohokely misotro rano
niryna
Voalohany
Mialoha
44
45
46
47
48
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0196