Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1351.
Mofo akondro sy lelamolotra ka izay manina manantona
josla
1352.
Zily bera ihany no ariary zato
josla
1353.
Tainalikan'i Zily
josla
1354.
Kara somonjara mbinanto mbola ho hita
koanga
1355.
Fa ny telo no tsara noho ny roa ,raha miady misy manasaraka.
raba
1356.
Ny ory tsy havan'ny manana.
niryna
1357.
Mivahiny amin-kava-malahelo, ka saron'afo no hita.
niryna
1358.
Vato navalavalan'ny voay: ny nivalavalanana tsy nipoitra,ny navalavala tsy ny nivoaka
niryna
1359.
Rom-boay:Izay mahasahy homana
niryna
1360.
Voalavo no velona akaiky ny lavany
niryna
1361.
Trandraka mivelavina an-tany mena, volon-tany no arahina
niryna
1362.
Zanak'omby masiaka ,tsy matahotra an-dreniny
niryna
1363.
Toy ny tongotra vakivaky ka sady maharary no mahamenatra
niryna
1364.
Ny zavatra tsara sy mahavariana amin'ny fiainana dia ny fahafantaranao fa sarobidy hianao
niryna
1365.
Raha ny fanontaniana amin 'ny fiainana dia hianao no valiny.Raha ny olana amin'ny fiainana dia hianao ihany no mahavaha azy
niryna
1366.
Arakaraky ny fandrosoan'ny fahaterana no ahafantarana fa ny fahatsorampo no fahasambarana indrindra
niryna
1367.
Tiavo ny tenanao aloha dia manaraka ho azy ny zavatra rehetra
niryna
1368.
Aza manararaotra toy ny banga mihomehy alina.
niryna
1369.
Vilany borin'Amboatany;ariana tsy foy,avela manebaka ny trano
niryna
1370.
Raha mbola hisy koa ny farany dia tsy ho foana ny fanantenako
walte
1371.
Ny tsigny haragna avo, ny fondro vato malama
walte
1372.
Atao fitia garanadrelina, tanora maitso haigon'ny saha, antitra mikaraikona vao tena mamy.
Jetsiera
1373.
Maro ny vorona fa ny railovy no manga feo, maro ny teny fa ny teny gasy no tsy afako loatra.
soanja
1374.
Toy ny rano eny am-body vondrona ka tsy ilaozan'ny soa sy ny manan-jara.
soanja
1375.
Akanga mandalo vorombola, ka mipoitra tsanga saingy ambanian'ny olona.
soanja
1376.
Vano ambalam-parihy, ihany mantsy aho, ka raha tazinina toa avo dingana, hatonina kely fingotra.
soanja
1377.
Tsy sitrapon'ny antsy ny hikapa ny taola-mahery, fa asesiky ny tana-mandrasa.
soanja
1378.
Tsy fidin'ny angady ny hitrandraka ny andrian-tany, fa asesiky ny zara raharaha.
soanja
1379.
"Ny manta ambilany mila mpahandro, ny masaka an-tokonana mila mpandoatra, ny voaloatra an-dovia mila mpampandroso."
soanja
1380.
Tsy vorombazaha tsy enina akory aho, ka hitelim-bato madinika.
soanja
Voalohany
Mialoha
44
45
46
47
48
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0203