Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1381.
Ny fo ranomafana, ny tendrom-po tsy mba namana
niryna
1382.
Mitari-drano an-kilahila, ny mitobaka no be noho ny mizotra
niryna
1383.
Aza tomany homana toy ny akohokely
niryna
1384.
Izay manjo vady,,manjo tena
niryna
1385.
Ataovy toy ny fitiavan'ny tanana sy vava; raha marary ny tanana, mitsoka ny vava ary raha marary ny vava manafosafo ny tanana
road
1386.
Fitia te-hanadala sa fitia te-hanandroa? sa fitia safomorona, ny tena fitia tsy mahay miafina
aivetinakely
1387.
Ny Fanahy no mahaolona
VOARITINA
1388.
Maty aho basin-janako.
Bita
1389.
Ataovy toy ny lamban'akoho, ka faty no hisarahana
Bita
1390.
Angano angano, arira arira, tsy izaho no mandainga fa ny.....?
Bita
1391.
Rafotsibe leon-trandraka, ka mataho vodi-kifafa.
Bita
1392.
Rafotsibe leom-boan'anana ka leo-java-boribory
Bita
1393.
Aza manao toy ny laona sy fanoto; Ka izy mivady no miady ka ny ankizy no voatorotoro.
Bita
1394.
Manalasala toa ny manambady batry nify; atao eo aloha toa hitsiky ho an'ny sasany; atao ariana toa hanaikitra
sahoby
1395.
Fon-jazalahy, atakalo, fon-jazavavy
rijadolly
1396.
lava nify latsaka amoron-tevana ambaraky ny efa ho faty mbola mitsiky ihany
andrianaly
1397.
torimason'ilay jamba ka aina no fetra
andrianaly
1398.
kalon'ilay moana ka ny any am-po no mametsovetso
andrianaly
1399.
lomanon'ny jamba ka izay hidonan'ny loha no hiakarana
andrianaly
1400.
ramatoa be mihinan-kitoza , ny tsirony no tadiavina ny rara-kivy no raraka
19822709
1401.
sahala ,ny rajako na fa antitra aza tsy manadino tsambokina
19822709
1402.
olombelo ,tsy mifampitomboko
19822709
1403.
Ditsoky ny nataony otrany totozy nandefa rivotra an-davenona
Dreamlover14
1404.
Hendry anarina ka ny "izaho ve no adala no asesika"
aivetinakely
1405.
Ataovy toy ny fihavanan'ny mpamily ka ao anatin'ny fahasahiranana vao tena mifamonjy
aivetinakely
1406.
Ny (...n') alika mahia tsy lelafin'ny namany
josla
1407.
Mipelipeli-drambo toa alika tonga tompo-trano
josla
1408.
Sakorok'alika toa fivorian'ny fozaorana : ny tanana atao V, ny nify aloha toa sosona
josla
1409.
Aza atao toy ny sotroben'Ambodinisotry, ka sady ikapohana alika no andoaran-dasopy
josla
1410.
Aza mba vendra-tay toa an-drafozaorana
josla
Voalohany
Mialoha
45
46
47
48
49
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0376