Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
1471.
Sisi-hazon' Antanamalaza, mahitsy ihany fa tonotononana; sisi-hazon'Antananarivo, sady soa no arahim-bankona.
soanja
1472.
Ny lalana haleha rahateo, ny dia ho any Mahavika.
soanja
1473.
Sikim-tsalaka mahay mandeha, sampin-kavanana mahay mihaingo.
soanja
1474.
Ratsy tarehy ambinin-doza, ka mirakaraka volo vao tsara.
soanja
1475.
Ratsy tarehy handeha hilanona, ka maraina ihany no izy.
soanja
1476.
Toy ny sahondra ambony vato, ka endrik'izay itoerany.
soanja
1477.
Akanjon-goaika, ka vita fony kely.
soanja
1478.
Enti-maty toy ny tarehy.
soanja
1479.
Tsara loha ka endrehin-drandrana.
soanja
1480.
Ny tarehy soa verin'ny hanina an-dany vazana.
soanja
1481.
Ny firavaka azo atentina, fa ny tarehy tsy azo atentina.
soanja
1482.
Mitafy lamba imason'ny tompony.
soanja
1483.
Misarebaka ny lamba indrana, ka nony tonga endahin'ny tompony.
soanja
1484.
Aza manao kary mindrana akanjo.
soanja
1485.
Vorodamba atakalo mindrana, ka ny manana ny ratsy indray no manafatra.
soanja
1486.
Aza mandihy eo an-tampon'ny antambo.
soanja
1487.
Aza mandihy am-piringa toa vorondolo.
soanja
1488.
Tsinjak'Izakasoa, ka samy mila ho azy.
soanja
1489.
Mandihy maina tsy enin'amponga
soanja
1490.
Salamanga mandihy irery, ilaozan-kitehaka, tsy hisy handihy; ilaozan-kandihy tsy hisy hitehaka.
soanja
1491.
Aza mirehitra amin'ny antsan'olona.
soanja
1492.
Toy ny dihy heverina, ka raha miampy kely dia raikitra.
soanja
1493.
"Fara-fahitana izao" hoy ilay voa bala amin'ny masony.
soanja
1494.
Voron-tsaporetika, papango didimaso, ka jereo aloha ny tena vao manenitra ny sasany.
soanja
1495.
Manana amby tsy ampy, hoatra ny sola vaohina.
soanja
1496.
Iza no mahalala izay bokan'Inamehana? fa izay matanjaka no atao isan-jato.
soanja
1497.
Nahoana no maniry manitra hoatra ny boka anaty tapia?
soanja
1498.
Boka Ikoto tsy elon'Ikala, boka Ikala tsy leon'Ikoto.
soanja
1499.
Masombika manambady Hova: gny tragno, iraisana, fa gny zaka, samby hafa. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
1500.
Rano tsy fisotro, tsy anasam-bava. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
First
Previous
48
49
50
51
52
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0153