Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
1561.
Manambitamby lava, toy ny manana andevo tokana.
soanja
1562.
Andevolahy mampirafy, manita-draharaha.
soanja
1563.
Andevo tokana amin'andriana, raha tsy matin'iraka, maty voky.
soanja
1564.
Aleo ravim-bohoimanga tsy arahin-dromoromo,toy zay hanim-pitoloha arahin-datsa
andrebabe
1565.
Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.
andrebabe
1566.
Ny loza toy ny alika,rehefa antsoina dia tonga
manip
1567.
ny tany tsy ho lavadavahana mbola hiverenana, aza mandrora mitsilany sao hahavoa tena, alaeo volana imaso toy izay volana ivoho, tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka, ny maherh tsy maody tsy ho ela velona
voniala
1568.
Zaza tokana na-trano ka raha tsy maty voky maty iraka
kiriah
1569.
Tongo-bakivaky ka sady marary no maha-menatra
kiriah
1570.
Adin-tsain-dRalahy tokana, ny vady tiana ny reny tsy foy
kiriah
1571.
Ny loza tsy mitoetra atao mbay lalana , ny fitahiana tsy mitsidika atao mandrosoa.
kiriah
1572.
Ny tsiny HADY lalina tsiriana maha-fanina, ianjeràna maha-faty
kiriah
1573.
Hady vomangan' i Kirijavola ka tonga dia ny vaomasony no potsirina
kiriah
1574.
Sitraka enti-matory ho valiana raha matsiaro
kiriah
1575.
Basy atifi-kavana ka tsy afenina fa arangaranga
kiriah
1576.
Mandefitra manana ny rariny toy ny vahiny voa-hitsaka
kiriah
1577.
Donak afon' analakely ka tonga dia eny ambovonana
kiriah
1578.
maty kiambo tohin'ny olotra ozy ka eny ambon'ny tay no manao tsongolo batiba
meljah
1579.
Te-hoderain'ny amboa ka mikiky taolana tsy misy nofony.
soanja
1580.
Fihavanan'amboa ka ravan'ny taolana iray.
soanja
1581.
Taolan-kena mahia ka na dia tsy hena aza dia fofy.
soanja
1582.
Banga mihinan-trafon-kena ka lasa tsy antonontonona.
soanja
1583.
Lelafin-ko mandina tahaka ny trafony.
soanja
1584.
Trafo nasondrotry ny nofo.
soanja
1585.
Mananjara izay itobahan'ny rony fa ny ventiny mandeha an-danjany.
soanja
1586.
Banga mihinan-kitoza ka tsirony no ilaina kanefa ny ivy indray no raraka.
soanja
1587.
Rafotsibe leon-koditra ka tsy te hijery omby velona.
soanja
1588.
Rafotsibe leon-dran-kena ka tsy te hijery tanimena.
soanja
1589.
Manao atody mafana ila.
soanja
1590.
Atody fito fototra, tsy ilaozan'izay ho lamokany.
soanja
First
Previous
51
52
53
54
55
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0149