Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1651.
Trafo nasondrotry ny nofo.
soanja
1652.
Mananjara izay itobahan'ny rony fa ny ventiny mandeha an-danjany.
soanja
1653.
Banga mihinan-kitoza ka tsirony no ilaina kanefa ny ivy indray no raraka.
soanja
1654.
Rafotsibe leon-koditra ka tsy te hijery omby velona.
soanja
1655.
Rafotsibe leon-dran-kena ka tsy te hijery tanimena.
soanja
1656.
Manao atody mafana ila.
soanja
1657.
Atody fito fototra, tsy ilaozan'izay ho lamokany.
soanja
1658.
Akohovavy maneno, ka ny loza ho an'olona lazainy,fa ny angady hitomboka ny lohany tsy fantany.
soanja
1659.
Akohokely voahitsa-dreniny ka tsy hala fa tompom-pitia.
soanja
1660.
Vorontsiloza , fa loza ihany raha mahita tsaramaso eny am-paniriana.
soanja
1661.
Vorona tokana anosy ka miherikerika irery.
soanja
1662.
Vorompotsy tsy mandao omby.
soanja
1663.
Manandraharaha ny dokotra fa merika ny andro.
soanja
1664.
Rano natondraka eny an-damosin'ny gana.
soanja
1665.
Ganagana entina amin'ny tendany.
soanja
1666.
Ganagana mandro samy manao izay tiany.
soanja
1667.
Misovoka ohatry ny lohan-gisa.
soanja
1668.
Gisalahy lasa namana ka ny sisa mihiaka ihany.
soanja
1669.
Vivy nanitrika ka bongo mason'ny nahiny.
soanja
1670.
Arosy tapak'elatra ka hitoetra manina an'Itasy, hanidina tsy manan'elatra.
soanja
1671.
Akanga mitsindroka am-batolampy ka voky vao fanimpanina.
soanja
1672.
Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho mavon-drazana.
soanja
1673.
Ny akanga maro tsy vakin'amboa.
soanja
1674.
Mipaoka imason'ny tompony toy ny voromahery.
soanja
1675.
Akohokely lasam-papango ka misidina ambony vao tra-pahoriana.
soanja
1676.
Tsy mifoha alohan'ny goaika.
soanja
1677.
Fambara loza ny goaika tokana eny alohan'ny lalana izorana.
soanja
1678.
Goaika maneno am-panidinana, ka mampidera feo eny an-danitra.
soanja
1679.
Goaika tsy atoro tanim-boanjo.
soanja
1680.
Fihavanan-takatra ka ory miara-mitokiky, faly miara-mitokaka.
soanja
Voalohany
Mialoha
54
55
56
57
58
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0159