Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1681.
Vorondolo miseho andro ka ny tararaka aza manenjika.
soanja
1682.
Rafotsibe mataho-tararaka ka ianao hariva eo, izaho alina eto.
soanja
1683.
Mandihiza rahitsikitsika hianaranay amin'ny fararano.
soanja
1684.
Tatabava, milaza taon-tsy hisitrahana toy ny kankafotra.
soanja
1685.
Voronombalahy ka ambony miray lanitra, ambany miray lavaka.
soanja
1686.
Velon-drivotra toa sidintsidina.
soanja
1687.
Voromanga milevim-belona.
soanja
1688.
Mandoka tena ohatra ny papelika.
soanja
1689.
Tsikirity momba fody, ka tsy tompon-dia fa mpanaraka.
soanja
1690.
Vato atora-pody ka tsy ijerana vary miraraka.
soanja
1691.
Fody lahy ririnina ka mitovy volo amin'ny sorohitra.
soanja
1692.
Fody lahy mena vary ka manandrana alohan'ny tompony.
soanja
1693.
Kibobo voafandrika ka ny mandrimandry no ahazoana aina.
soanja
1694.
Na mahay manjohy aza ny kibobo, ny alika koa mahay manimbolo.
soanja
1695.
Tsy maneno alohan'ny fitatra.
soanja
1696.
Zana-tsorohitra amoron-dalana ka tsy nariako, tsy narian-dreniny.
soanja
1697.
Rafotsibe manenjin-tsintsina, ka izaho ety, izy eny, izaho ery, izy ety.
soanja
1698.
Tsintsina nahazo sompanga, ka ny kibo hasiana no tsy misy.
soanja
1699.
Tanana anaty filo ka ny any ivelany tsy tafiditra, ny ao anatiny tsy tafavoaka.
soanja
1700.
Mitango voan-draketa, ka iray no alaina dia indroa no voatsindrona.
soanja
1701.
Bararata anaty fasika ka totofana vao lava tsiry.
soanja
1702.
Fakam-bolontsangana aho mitaingina ny avo.
soanja
1703.
Raha mbola vao dia mitaingina bao, fa nony tamana taingenan'ny bao.
soanja
1704.
Mitsaha-pilana ohatra ny mpivaro-baliha maty vady.
soanja
1705.
Mitendry valiha maty vady, ka mifaly amin'ny efa nafoy, sa manaitra ny mbola tsy manana?
soanja
1706.
Tongobolo angaha aho ka ho tapenam-bava?
soanja
1707.
Ny anivona tsy mila antsetra, ny mpilotra tsy ilana tahony, fa izay mikendry no mahavoa.
soanja
1708.
Sakamalao sy havozo ka samy mitondra ny hanitra ho azy.
soanja
1709.
Ngorongoso odian-tamotamo, avelao hifanenjika fa samy mavo.
soanja
1710.
Mangahazo mangidy malemy, ka hanina amin'ny lemim-panahiny.
soanja
Voalohany
Mialoha
55
56
57
58
59
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0376