Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1771.
Tsy ny sakafo any no maharaikitra ny dia , fa ny veloma atao.
soanja
1772.
Vahiny tsy manan-tsisa ka isan'ny noana.
soanja
1773.
Ranomaso teren'ny setroka.
soanja
1774.
Matoa misy setroka dia misy afo.
soanja
1775.
Sorona afon'adala, ka ny eo aloha tsy levona, ny aoriana asesika ihany.
soanja
1776.
Asisika ho may toy ny soitrafo.
soanja
1777.
Taitra ny olona tsy mba taitra ka taitra irery vao mamaky takotra.
soanja
1778.
Naka kitay tsy mirehitra, ka afaka adidy amin'ny fatana.
soanja
1779.
Tsy mahaleo ny tarehy ratsiko aza, dia tsy maintsy malahelo ny entan-kitaiko.
soanja
1780.
Andro ahamaizan'ny trano manao afo am-bilany kely , fa andavanandro, manao roborobo.
soanja
1781.
Fady mitondra fanilo antoandro fa mahabobo.
soanja
1782.
Manatsafa toy ny mpaka afo.
soanja
1783.
Otrik'afon'apombo ka tsy midonaka fa mivaivay.
soanja
1784.
Mpanompolahy latsaka avara-patana ka saro-miala.
soanja
1785.
Sodokan'ny atao mandrosoa ka miantsampy eny ambony kitay.
soanja
1786.
Varivary andrian'ny tafo.
soanja
1787.
Trano vaky vovonana ka mitondra teny mivoaka.
soanja
1788.
Vovonana iadian'ny lohany.
soanja
1789.
Fanoto miankina amin'ny andry.
soanja
1790.
Andry telo itoviana amin'olona.
soanja
1791.
Fara fihetsika ny hidin-trano.
soanja
1792.
Varavarana iva tatao, ka tsy idiran'ny mpianjonanjona.
soanja
1793.
Tola-miadidy sy varavarana miandraikitra.
soanja
1794.
Ny tokonana no tsy afaka, ka ny rindrina no hanihina.
soanja
1795.
Fady ny mipetraka an-tokonana fa mampitokona ny soa tokony hiditra sy ny ratsy tokony hivoaka.
soanja
1796.
Mpangalatra tsy azo, olo-marina.
soanja
1797.
Ny vitsika manana ny lavany, ny vorona manana ny akaniny ary ny olona manana ny tranony.
soanja
1798.
Taiza zaza be lelo, ka samy manindrahindra izay ananany.
soanja
1799.
Akondro kely avara-tanana, ka raha avo manan-tompo.
soanja
1800.
Faladia naharon'ny lalana.
soanja
Voalohany
Mialoha
58
59
60
61
62
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0259