Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1861.
Angaha volo manify ka hataho-pandroatra.
soanja
1862.
Mpanakarena mividy horompotsy, ka bozaka aman'ahitra no mahaory azy.
soanja
1863.
Tsintsina mitondra vonin-tenina ka izay eran'ny vava no entina.
soanja
1864.
Fihavanan-dandy ka ny madilana tsy maito ary ny malemy tsy tapaka.
soanja
1865.
Vatolampy nanasan-dandy, ka ny lavenona lasan'ny rano, ny landy lasan'ny tompony.
soanja
1866.
Landy mohaka, ka tiavina vao misaritaka.
soanja
1867.
Tranon-dandy ka anatiny vao manatevina.
soanja
1868.
Tokin-dreninondry ka tratrin'ny alika eo ampibahanana.
soanja
1869.
Oron-dambo ka samy mitrongy no mihinana.
soanja
1870.
Osilahy mitety harana.
soanja
1871.
Hantan-kankana ka tapaka ampandehanana.
soanja
1872.
Mivoaka ho faty ohatry ny kankana.
soanja
1873.
Ombalahy nihehy votry, ka kimavon'ny nataony.
soanja
1874.
Ondry lahy diso ketsa, ka izay sahy manome lasiventy.
soanja
1875.
Ondrilahy tsindrim-barotra ka na ngeza aza tsy mahaleo ny tenany.
soanja
1876.
Misoron'ondry tsy volony, ka mankaloza ny aretina.
soanja
1877.
Izay vadana dia kary, na amboako na amboan'olona.
soanja
1878.
Kapok'alikan'ny belanonana, ka voa ny lohany, voa ny tendany, voa ny kibony.
soanja
1879.
Rafotsibe leon-kofak'ondry ka tsy tia zava-misavily.
soanja
1880.
Adala nomen-tanan'ondry, ka na hosoloana hofany aza tsy omeny.
soanja
1881.
Ondry bobo fanenjik'amboa.
soanja
1882.
Sanganehana ohatra ny ondry sangian'alika.
soanja
1883.
Ny ondry voatsipi-taolana, fa ny alika voatsipi-bilona, samy ao fa nifandiso.
soanja
1884.
Nonon'ondry efa-doza, telo antambo, roa tsy miova fa fanao.
soanja
1885.
Ondry lahim-benty, mahalany kolokolon-tsasanangy.
soanja
1886.
Ondrilahy manantena tampon-kandrina.
soanja
1887.
Mivadika imaso toa tandrok'ondry.
soanja
1888.
Na bevoka ratsi_ kena aza tsy anaikitra omby mitsangana
turin
1889.
Na handeha mbamin'ny lohako aza tsy ho vazaha mihitsy aho rehefa tsy te ho vazaha.
soanja
1890.
Ny fahasambarana, hono, tsy tsapa raha tsy ifampizarana amin'ny hafa.
soanja
Voalohany
Mialoha
61
62
63
64
65
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0157