Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1921.
Anatsinahy lavitra olona ka antitra ampijorana.
soanja
1922.
Ny anana aza mahavaly hena.
soanja
1923.
Tsy mandray ravin-deno.
soanja
1924.
Nato ny teny ka mamerna indroa manana ny antitra.
soanja
1925.
Hazondrano natao satroka, ka ahohoka, feno, atsilany, feno.
soanja
1926.
Raty namehezan-kitay, ka miara-devona amin'ilay nofehezina.
soanja
1927.
Angaha volo manify ka hataho-pandroatra.
soanja
1928.
Mpanakarena mividy horompotsy, ka bozaka aman'ahitra no mahaory azy.
soanja
1929.
Tsintsina mitondra vonin-tenina ka izay eran'ny vava no entina.
soanja
1930.
Fihavanan-dandy ka ny madilana tsy maito ary ny malemy tsy tapaka.
soanja
1931.
Vatolampy nanasan-dandy, ka ny lavenona lasan'ny rano, ny landy lasan'ny tompony.
soanja
1932.
Landy mohaka, ka tiavina vao misaritaka.
soanja
1933.
Tranon-dandy ka anatiny vao manatevina.
soanja
1934.
Tokin-dreninondry ka tratrin'ny alika eo ampibahanana.
soanja
1935.
Oron-dambo ka samy mitrongy no mihinana.
soanja
1936.
Osilahy mitety harana.
soanja
1937.
Hantan-kankana ka tapaka ampandehanana.
soanja
1938.
Mivoaka ho faty ohatry ny kankana.
soanja
1939.
Ombalahy nihehy votry, ka kimavon'ny nataony.
soanja
1940.
Ondry lahy diso ketsa, ka izay sahy manome lasiventy.
soanja
1941.
Ondrilahy tsindrim-barotra ka na ngeza aza tsy mahaleo ny tenany.
soanja
1942.
Misoron'ondry tsy volony, ka mankaloza ny aretina.
soanja
1943.
Izay vadana dia kary, na amboako na amboan'olona.
soanja
1944.
Kapok'alikan'ny belanonana, ka voa ny lohany, voa ny tendany, voa ny kibony.
soanja
1945.
Rafotsibe leon-kofak'ondry ka tsy tia zava-misavily.
soanja
1946.
Adala nomen-tanan'ondry, ka na hosoloana hofany aza tsy omeny.
soanja
1947.
Ondry bobo fanenjik'amboa.
soanja
1948.
Sanganehana ohatra ny ondry sangian'alika.
soanja
1949.
Ny ondry voatsipi-taolana, fa ny alika voatsipi-bilona, samy ao fa nifandiso.
soanja
1950.
Nonon'ondry efa-doza, telo antambo, roa tsy miova fa fanao.
soanja
Voalohany
Mialoha
63
64
65
66
67
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0374