Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1831.
Tsingaradona an-tanimena ka tsy matavy fa sesiky ny tsinainy.
soanja
1832.
Ambolo bitaka, ambolo matavy, zava-tsy hay tsy ibitabitahana.
soanja
1833.
Misambom-balala ho anjanak'olona.
soanja
1834.
Taitra tampoka toy ny nokakerin'ny fihitra.
soanja
1835.
Tefy tanimanga ka aleo tovonana toy izay anesorana.
soanja
1836.
Toy ny mpanefy, mikapo-dalitra ambony lovia ka mamoy sasanangy tsy satry.
soanja
1837.
Ny lohasaha fandrianny moka.
soanja
1838.
Manao tahaka ny angely, ka milaza mbamin'ny elany.
soanja
1839.
Very amin'ny adin'angely ny adin'ombalahy.
soanja
1840.
Hano, kaikero! tsakotsakoy, raha resin'io ialahy tetitetehiko, avalako rano, omeko ny amboa, fa raha mahery rahavako voahangy, ividianako lamba, babeko maraina, tantanako hariva! Ndrofy lahy e! - Ireto teny fampiadiana angely fahizay.
soanja
1841.
Fikitra mampiady ny angely.
soanja
1842.
Tsy miady ny angely raha tokam-pilana.
soanja
1843.
Tain'angely, ka samy mailika izay eo ambaravarany.
soanja
1844.
Angavamena, ka samy mitsilo ny lalan-kalehany.
soanja
1845.
Ny fandrotrarana no nandavo, ka ny tahalaka no haetry.
soanja
1846.
Ny fanambadiana tsy nafehy fa nafandrotra.
soanja
1847.
Toy ny tsevoka, ka vao teraka dia mitan-defona.
soanja
1848.
Tsy mba sompanga miantendro vero fa tsimbotry mandady amin'ny tany.
soanja
1849.
Ombalahy resy an'ady ka mifiaka ny atsoro maina.
soanja
1850.
Vary amin'anana ilaofan-tsakay, ka tiana hasiaka ny malaolao.
soanja
1851.
Anamamy no niraisana ka beroberoka no isarahana.
soanja
1852.
Tsipolitra ka antitra vao tia sangy.
soanja
1853.
Anatsinahy lavitra olona ka antitra ampijorana.
soanja
1854.
Ny anana aza mahavaly hena.
soanja
1855.
Tsy mandray ravin-deno.
soanja
1856.
Nato ny teny ka mamerna indroa manana ny antitra.
soanja
1857.
Hazondrano natao satroka, ka ahohoka, feno, atsilany, feno.
soanja
1858.
Raty namehezan-kitay, ka miara-devona amin'ilay nofehezina.
soanja
1859.
Angaha volo manify ka hataho-pandroatra.
soanja
1860.
Mpanakarena mividy horompotsy, ka bozaka aman'ahitra no mahaory azy.
soanja
Voalohany
Mialoha
60
61
62
63
64
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0376