Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1741.
Ny latsaka te hitovy, ny mitovy te hihoatra.
soanja
1742.
Ny any an-kady indray no manofa lamba.
soanja
1743.
Hady lalina ka jere-mahafanina, ianjera-mahafaty.
soanja
1744.
Ankoatra ny bonga toa hisy jiolahy, ambadiky ny avo toa hisy tafika.
soanja
1745.
Mampakatra feta tsy madity ka raha avy ny orana dia mihotsaka.
soanja
1746.
Fotaka ambaravarana ka samy manilika izay halehany.
soanja
1747.
Ankizy nilaozan-tsakaiza ka milalao vovoka irery.
soanja
1748.
Aleo kely maro asa toa bonga kely , toy izay lehibe tsy mihetsika ka lotoin'ny sorohitra toa bongabe.
soanja
1749.
Ny vato no mikodia mitady tany marina.
soanja
1750.
Mitatitra fasika ka manabe vava ny ony.
soanja
1751.
Tanimanga voaevotra ka miampy kely dia takotra
soanja
1752.
Rafotsibe lavo an-tambiazina, ka raha tafarina dia mitsipon-tsindretra.
soanja
1753.
Tsy ravoravo natentina fa tandra vadin-koditra.
soanja
1754.
Tanimena mirehitra ka tsy takona afenina.
soanja
1755.
Mamatan-tany foana toy ny havandra ririnina.
soanja
1756.
Manao maso voatoton-tany.
soanja
1757.
Aza manao tany avo avaratra.
soanja
1758.
Afa-draorao ohatra ny tany afa-dilatra.
soanja
1759.
Vongan-tany nentin-driaka, teo ihany fa levona.
soanja
1760.
Ny tany nohadiana tsy ary ho tonga an-karona avokoa.
soanja
1761.
Aleo maty toy izay menatra olona.
soanja
1762.
Tsy izay hosoran-tsakay no mangidy, na izay hosoran-tantely no mamy.
soanja
1763.
Ny tany ho ela amin'ny olona, ary ny olona ho ela amin'ny tany.
soanja
1764.
Taky trsa fararano, fa raha tsy vola dia vary.
soanja
1765.
Vikin'alina ka aleo tafahoatra, toy izay latsaka.
soanja
1766.
Manenjin-dambo hariva ka maniraka azy hody.
soanja
1767.
Hodin-tsokatra ilatsahan-kavandra ka mikoriana any ivelany.
soanja
1768.
Tsy ny oran-dasa no anjairan-tsarotro, fa ny mbola ho avy.
soanja
1769.
Natao ho zavona manamasaka ny vary, kanjo fanala mamono ny mangahazo.
soanja
1770.
Miakatra ho rahona fa mielin-ko zavona.
soanja
Voalohany
Mialoha
57
58
59
60
61
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.016