Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1741.
Teraka iray botry, teraka iray botry, i Faralahy no lava indrindra.... ny lahin-taretra.
soanja
1742.
Lamba rongony fahan-kafotra ka isalakana, manaiki-balahana; itafiana, asampina vao miporotsaka.
soanja
1743.
Mantsina vao tsara, toy ny rongony.
soanja
1744.
Mpaka rofia nahazo jiolahy ka vonona ny kofehy hamatorana.
soanja
1745.
Jiafotsy, ka vao tsy ialan-kasokasoka, raha tonta tsy ialan-dromoromo.
soanja
1746.
Fadin'ny tanora ny mamboly voara fa mahafolaka an-datony.
soanja
1747.
Toy ny voara ny fihavanana, ka raha verahina dia misy vitsika.
soanja
1748.
Voarabe midoroboka endriky ny saha ka izay tandindominy, manga, izay alofany mavana.
soanja
1749.
Toy ny aviavy ka mangidy am-boalohany, fa mamy amin'ny farany.
soanja
1750.
Tapia ka iray no hanina fa telo no aloa.
soanja
1751.
Toy ny voasary, mitan-defona zato nefa tsy maharo vady aman-janaka.
soanja
1752.
Akondro mahia misy masaka, ka saro-dazaina amin-kavana.
soanja
1753.
Mandraraka ilo mby an-doha.
soanja
1754.
Sahomborera ambony amontana, tsy fitadiavan-kanina fa rehareha.
soanja
1755.
Todian'ny ambora tsy nentina ka mivongika hazo tsy fantatra.
soanja
1756.
Ralehilahy tia harahara, ravehivavy tia vodin-tenona.
soanja
1757.
Ny hazo mirona tsy mba lavon-drivotra.
soanja
1758.
Hazo tokana an-kadilanana, ka tenain-drivotra irery.
soanja
1759.
Ny lambo an'ala, ny vahy an'ala, ka tsy mifanapaka na mifaningotra.
soanja
1760.
Ny hazo mahitsy, tsy hita tsy an'ala.
soanja
1761.
Ranom-potaka aza manonja ka mainka fa ranomasina.
soanja
1762.
Loharano niteraka ny ony.
soanja
1763.
Tsindranolahy an-keniheny ka ny tama-miray ihany no miaraka.
soanja
1764.
Tai-dava toy ny saobakaka am-body riana.
soanja
1765.
Saobakaka anaty kamory ka hitoetra toa ho faty , hifindra toerana toa tsy ho velona.
soanja
1766.
Ny dobo tsy hita no mahamanina, fa rehefa hita sahala ihany.
soanja
1767.
Tovovavy miady an-tanana ka tsy avelan'ny fantsakana tsy hiray.
soanja
1768.
Alika mitsaba-doharano ka tsy hetaheta fa hasomparana.
soanja
1769.
Zatra ankararana ka tsy vitan'ny an-tsiririka.
soanja
1770.
Roborobo no an'ny vahiny, fa ny tompon-trano no mandraoka ny lavenona.
soanja
Voalohany
Mialoha
57
58
59
60
61
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0407