Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1711.
Vomanga an-tanty, ka samy maka izay tiany.
soanja
1712.
Toy ny vomanga, ka ny lehibe indray no hosoran-davenona.
soanja
1713.
Hady vomangan'ilay kamboty, ka heviny ihany ny lany manta.
soanja
1714.
Ny ovy haniry tsy voasakam-bato.
soanja
1715.
Izaho angaha no nahandro ny tsaramaso no ikentronketronana?
soanja
1716.
Voatavo tsy mety ho zinga ka vakiana vao toham-baliha.
soanja
1717.
Kapila voahitsaka, ka vaky vao mahataitra.
soanja
1718.
Ny voatavon-tsira tsy enti-miantsena.
soanja
1719.
Siny voatavo ka samy mibobobobo amin'izay ananany.
soanja
1720.
Omeo voatavo mahamay aho fa hotsofiko.
soanja
1721.
Banga mihinam-boatavo ka tsako tokana ihany.
soanja
1722.
Fositra ve no tsy ambolem-boavahy.
soanja
1723.
Manao ho katsaka ka ladinim-bahy.
soanja
1724.
Katsaka an-tanimena ka ny baby kambana tsy misy, fa zara raha mahavelon-tena.
soanja
1725.
Tsy katsaka ka hiteraka tehezana.
soanja
1726.
Paraky nankaleo ahy , ka tsy avelako raha tsy fotsy angola.
soanja
1727.
Aza toy ny rongony, ka sady mpanaja no mpamoafady.
soanja
1728.
Vilona alain-takariva, na dia tsy malazon'ny andro aza, mantsasaky ny alina.
soanja
1729.
Tsy mba tsiriry vorona, ka manifi-drano dia lasa, fa tsiriry ahitra, ka lo eo an-tany aniriana.
soanja
1730.
Gisa marary ka tsy tia volontany.
soanja
1731.
Fotsimbary an-karon-kerana, ka izay naleha, nipetrahany avokoa.
soanja
1732.
Toy ny herana ka mitomany handratra ny hafa.
soanja
1733.
Sendra izay nikentronany, hoy ilay nangoron-tsihy.
soanja
1734.
Ny mitory hisatra aza misy manjilatra.
soanja
1735.
Zozoro anaty farihy, ka raha tsofin'ny rivotra miara-miraika.
soanja
1736.
Aza manao toy ny zozoro, miray toerana tsy mifandrandrana.
soanja
1737.
Langilangy zozoro, ka midoboka fa tsy maharary.
soanja
1738.
Sahombora mitaingina harefo, ka mifanindry samy malemy.
soanja
1739.
Toy ny harefo, ka marotsaka ivelany fa miefitra anaty.
soanja
1740.
Toy ny taretra ka ny farany ihany no alain-taranaka.
soanja
Voalohany
Mialoha
56
57
58
59
60
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0264