Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
1231.
Amin'ny fihainoanao ny hafa dia efa mankahery azy hianao .
niryna
1232.
Aza mody milaza fa tsy tompon'andraikitra amin'ny zavatra atao.Andriamanitra irery no mahalala ny ao am-po tsy miafina.
niryna
1233.
Sendra masaka tokony hihinana Avy tsy asaina nasesiky ny razana.
niryna
1234.
Aza miteny hoe tsy vitako io ,manana finoana fa vitanao io
niryna
1235.
Haremberi-foana toy ny menaka ahosim-bazimba
niryna
1236.
Andriamanitra tsy tia ratsy.
niryna
1237.
Rafotsibe lavo an-tanimena ka tsy te hierika ran-kena
LemenaTsiAfo
1238.
Ela velona ireo iriana ho faty, ary vetika dia maty ireo iriana ho ela velona.
Tibao
1239.
Izay mamafy rivotra mijinja ny fofony.
Laaris
1240.
Be foto-doko (nangy) mangala-komana ko tsa avelan'ny foto-bazagna tsa hihetsika
201007jacky
1241.
ny lahy tsy te hofaty, ny vavy tsy tia miaina ny lahy maty noho izy ny vavy miaina noho izy
tk18
1242.
Raha mamboly ka tsy mahavanona, ampio fa havana ory; fa raha miraviravy tanana tsy miasa avelao hivarina an-kady.
taratriniaina
1243.
fihavin'alika: tonga tsy mahafaly lasa tsy maha-tezitra
nalaina
1244.
An'i baba va moa an'i neny?
ded.kitty
1245.
Eeee... maty ny kely aina
ded.kitty
1246.
Ratsy fiafara toy ny lahy antitra mamosavy
rjuste
1247.
Be nangy iray fandriana, ka ny any an-doha indray no lasa tery.
rjuste
1248.
Miakatse miakatse avao hoe ampela tovo ambahiny.
Momake
1249.
fanahy iniana ny ho hendry , fa ny adalana samy manana
p106
1250.
Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy, fany vehivavy matahotra an' i Jehovah ihany no hoderaina.
2N.E
1251.
Toy ny kavim-bolamena eo @ oron-kisoa,Ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena
2N.E
1252.
Tsy vorodea ty fiay ,tsy hay ty tsy tompony
tatinatah
1253.
Ny vola aman-karena no afaka robaina fa tsy ny fahaizana.
niryna
1254.
Leom-boanana ka tsy te hierika zava-boribory.
niryna
1255.
Manan-tsira ka mahay mahandro.
niryna
1256.
Hilela-maina aza ataony, ka maika fa molotra misy tantely.
niryna
1257.
Arivo tatatra ,zato renirano;ny faran'ny rano Ikopa ihany.
niryna
1258.
Ny fanekena eo amin'ny fifanjofoan-javatra mitranga no mahatonga toetra .
niryna
1259.
Andriamanitra tsy manontany izay mety ho vitanao na tsy vitanao fa kosa mijery ny fahavononao Izy.
niryna
1260.
Ny toetranao sisa no tavela rehefa very avokoa izay maha hianao anao.
niryna
First
Previous
40
41
42
43
44
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0147