Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
1231.
Aza manositosika ny tsy manombika
niryna
1232.
Sitraka enti-matory,ka valian-draha mahatsiaro
niryna
1233.
Toy ny sakay ao anaty tavoahangy ny fiainana,izay nohaninao anio no havoaka rahampitso.
niryna
1234.
Sasa forin'ny maro anaka, iray loak'aty dia roa topatopa!
sejianis
1235.
Rangahibe naka rafy, ka mampitondra ny tsy eran'ny aina!
sejianis
1236.
Nilatsahan'ny varatra eo am-pangerena, ka sady maty no mihosontay!
sejianis
1237.
Manampoiza ra-voantay,fa teny ambony vato ny ankizy no nangery!
sejianis
1238.
fandrosoana tsy fantatra hoaiza toy ny jamba mianefitra
milofo
1239.
Ratsy tarehy be vody, mivalapatra vao higagana Voalavo sasatry ny miaina, saka matory no ala-bolombava
Gagagagagasy
1240.
te ho deraina otran'ny olitra kely ka ,any anaty tay avy no manao akisitrika
kouily
1241.
Mpangalatra nahafaty Mpamosavy ka matin'olon-dratsy ny olon-tsy vanona
RAINIJE
1242.
Aza mifampidera vady mahay mandihy, fa aoka ny sandry no hitsara azy.
hajaxy
1243.
tsikovo-drano, foza voatango: lalina fisaina fa ho ritra ny rano.
itaramasoandro
1244.
Valala ela nanidina folak’elatra: raha mahafoy ahy mba foiko.
itaramasoandro
1245.
fitia miara-maniry, ka raha lany ny anao dia lany koa ny azy.
itaramasoandro
1246.
raha tanora tsy ho jejo dia aleo maty ho razana.
itaramasoandro
1247.
indrindra hiseo ihany dia mananety; fa indrindra raha tsy hiseo ihany, dia aleo mitoto-bozaka.
itaramasoandro
1248.
raha eken-drabevoha aza, raha tsy eken-drafara tsy tapaka.
itaramasoandro
1249.
marary manetsa; mifidy na hantsaka na haka kitay.
itaramasoandro
1250.
sitry mahay vato, osy mahay harana.
itaramasoandro
1251.
aza mikiraro ambony kitay, ka manao laniala am-pisoronan’afo.
itaramasoandro
1252.
trafo-kena ome-mahery: am-bava homana, am-po mieritreritra.
itaramasoandro
1253.
toy ny mason’ny mpandrary: mijery ny an-kazony, mandinika ny andalan-drambony.
itaramasoandro
1254.
raha mararin-teny, aza mitakarina.
itaramasoandro
1255.
akoholahy mitelin-koto: raha mahay mitelina dia tohan’aina; raha tsy mahay mitelina, dia singotry ny lela.
itaramasoandro
1256.
izay manoro làlana mahitsy, mamindra aina.
itaramasoandro
1257.
angamenavava ka samy mitsilo ny alehany.
itaramasoandro
1258.
Ny tsy anapenana sy amonoana ny làlamboahangy hono, tahotry ny hanan-tsiny amin'ny Mpahary sy ny mpiara-belona.
mianjy
1259.
Ny tsy anapenana sy am0onoana ny làlamboahangy hono, tahotry ny hanan-tsiny amin'ny Mpahary sy ny mpiara-belona.
mianjy
1260.
Fiara nihazo ny lala-mideza hono, ka aza araninina ny fisosany fa mamitaka!
mianjy
First
Previous
40
41
42
43
44
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0149