Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
931.
Mpisakaiza amim-bazimba malahelo, ka ny akoholahy lany, ny fitahiana tsy misy.
aivetinakely
932.
Akoholahy sy masoandro ka mifamotoan-tsamy lavitra.
aivetinakely
933.
Toy ny akoholahy an-drova , samy ta-haneno avokoa.
aivetinakely
934.
Fantsin'akoholahy maranitra fa am-paladia.
aivetinakely
935.
Tretroka akoholahy mena fa ambanin'ny mena.
aivetinakely
936.
Manjilajilatra hoatra ny feo vantony.
yveratsimb
937.
Manetsa vary mahalana, ka ny atao no alaina.
yveratsimb
938.
Ny saboimaro maiva-mavesatra
yveratsimb
939.
Rafotsibe nita rano ka izay hahasoa taovin'Andriamanitra, na ho rendrika, na ho tafita
yveratsimb
940.
Jangareny, ka botry anaka
yveratsimb
941.
Ody valalan'ny tsy mahay, ka voky dia miala
yveratsimb
942.
Manda lem-body, koa sonzo rano
yveratsimb
943.
Mitery omby tsy mirohy hoatra an-dRabemalo, ka ho fatin'ny daka no farany
yveratsimb
944.
MIteny ny iray toa novakonina, miteny ny iray toa nampalesina
yveratsimb
945.
Torovok' amboa maro mahalala, fa ny fisafeliky ny rambony no tsy fantatra
yveratsimb
946.
Lava hadalana ohatra ny valalan' amboa : kely mitsipaka, lehibe mandady
yveratsimb
947.
Mahita amboa miady taolana ka mahatsiaro ny hena fony nandro
yveratsimb
948.
Vivy nanitrika ka bongo mason' ny nahiny
yveratsimb
949.
Manao zanaka anaty fo maharary
yveratsimb
950.
Lanonam-pahavaratra ka ny maraina ihany no izy
yveratsimb
951.
Ron' i Mandiavato ; ny sisa tsy lany anasa-tongotra
yveratsimb
952.
Ilay nahandro vato : raha ny rony dia masaka
yveratsimb
953.
Manely vory ohatra ny akoholahy ambony sompitra
yveratsimb
954.
Aleo mandroso ho faty toy izay miverin-ko may
yveratsimb
955.
May tsy mba homana ohatra ny soitrafo
yveratsimb
956.
Ny latsaka am-po tsy hamelona, ka ny an-tendro-molotra indray no lelafina
yveratsimb
957.
Ambohimanambola no matavy omby ka Antananarivo no lafo kitay
yveratsimb
958.
Any Antsahadinta no voky tsaramaso, ka any Ambatolaona no mizihi-kibo
yveratsimb
959.
Aza manao tsingala mahalala ombin-tena
yveratsimb
960.
Mahafoy erany ka tsy mahafoy mihintsana
yveratsimb
Voalohany
Mialoha
30
31
32
33
34
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0251