Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe maraina
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
maraina
Hampiditra ohabolana
-29.
NY ASA Ny asa no lova, soa tsy lany hasina, Andaniana ny fotoana, amin’ny fo sy saina. Fa ny fety koa indraindray, fitsaharana masina, Hanangonana hery hifohazana maraina. #Mahane
AsaphMahane
-28.
Aviavy toy ny amany vao maraina.
Andokely
-27.
Ankatso sy Ambohidepona hono no mifankahita fa tsy mba miresaka, mifampitazana tsy mba mitafa, ny maraina mifampilongilongy ny hariva mifanakona aloka.
aivetinakely
-26.
Ilay Kamo mivady : ny lahy matory maraina, ny vavy manao be fahandro : tafahaona ny adala roa.
yveratsimb
-25.
Lanonam-pahavaratra ka ny maraina ihany no izy
yveratsimb
-24.
Manahirana hoatran'ny filaina mihenjana vao maraina, enti-mihohoka maharary, enti-mitsilany manainga bodofotsy!
tomms
-23.
Tsy hitanareo va ny maty? Tatarobe miefi-damba, misaron-doha tsy ho aiza. Maraina tsy mba mifoha, hariva tsy mba mamindro; tany mena no ambny tratra, rari-vato no an-dani-mandry.
soanja
-22.
Ratsy tarehy handeha hilanona, ka maraina ihany no izy.
soanja
-21.
Hano, kaikero! tsakotsakoy, raha resin'io ialahy tetitetehiko, avalako rano, omeko ny amboa, fa raha mahery rahavako voahangy, ividianako lamba, babeko maraina, tantanako hariva! Ndrofy lahy e! - Ireto teny fampiadiana angely fahizay.
soanja
-20.
Ratsy tarehy andeha lanona ka ny maraina ihany no izy.
niryna
-19.
Zatovo mandry maraina, bongo maso vao hita
kanto1
-18.
Manahirana ny mamoha ny mpianankavy indrindra ny andro maraina.
niryna
-17.
Lanonam-pahavaratra ka ny maraina ihany no heriny
niryna
-16.
Zatovo mandry maraina, bongo maso vao hita
niryna
-15.
Voky maraina tahaka ny omby hamidy.
aivetinakely
-14.
Miady maraina, tsara hariva; miady hariva, tsara maraina, toy ny mpivady
latina
-13.
Ataoko hahasoa gny fandroana maraina kay mahamavo
SENATERA
-12.
Mivoaka maraina tsy lasa lavitra ohatry ny akoho.
Bobdenard
-11.
Ny fitiavana dia tahaka ny vonin-draozy mivelatra maraina ka izay miraparapa haka azy dia voatsindrona
bobone
-10.
Aiza no dia ho anao avokoa ny valala manatody sy ny fandria-maraina.
mandrindra
-9.
adin'ankizy, maraina miady, hariva miombona
doum
-8.
Aza malaina manao zavatra; fa ny mosary indray maraina tsy efa foana.
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.024