Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe zoky
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
zoky
Hampiditra ohabolana
-29.
zoky toavina tsy andriana ;zandry manoa tsy andevo
nantena3
-28.
Zandry am-piterahana, fa zoky amin-kevitra
yveratsimb
-27.
zoky toavina tsy andriana, zandry manoa tsy andevo
bobone
-26.
Zandry tsy mahandry lova hatolotra ka mamosavy ny zoky tsy ampiheverana.
aivetinakely
-25.
Raha nisakana izahay zoky, tsy nisy hary hianareo zandry
niryna
-24.
Raha nisaka izahay zoky, tsy nisy hary hianareo zandry
niryna
-23.
Ny maty ray aman-dreny toro vato nandiavana, ny maty zoky folaka andry niankinana
aivetinakely
-22.
I zoky ve no manitra voninkazo sa i zandry no manitra ravinkazo no manitra andriana izany trano? Tsy i zoky no manitra ravinkazo na i zandry no manitra ravinkazo fa ny fitiava-namana no betsaka ka manitra andriana izany trano!
bozycate
-21.
Zoky be toa ray, zandry mahaleo mahalasana
JMR
-20.
ny zoky be toa ray ihany
jentilisa
-19.
Donga zoky fa botry zandry
jentilisa
-18.
Donga zoky, fa botry zandry
hery
-17.
Loharano tsy dikain'ny zinga, ary ny zoky tsy ialohava-mandeha
jentilisa
-16.
Izandry no mody zoky, matahotra ny hitondra entana. Izoky no mody zandry, matahotra ny hikabary.
Avahi
-15.
Ny zoky no tompon'ny teny ny zandry no tompon'ny entana
vale
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0479