Fanoroam-pejy
Hiditra
Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Nampidiriko
Samihafa
Lisitry ny ohabolana
Hitady ohabolana
Ok
Mampiseho ny 38 - 57 amin'ny 57
Vary vokatr'ibetsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa
hery
Vomanga an-kady; amidy vola tsy lafo, atakalo vary tsy foy
McFy
ny laona sy ny fanoto no miady ka ny vary ny mongo sy voaenda-damba
jentilisa
Be raharaha ve dia ny voly vary indray no tsy efa?
jentilisa
ny alahelo toy ny vary an-tsompitra; ka ahafahana iray fatambary isan'andro, dia ho levona ihany ny farany.
jentilisa
Matin-kenamaso, ka mihinam-barim-boka
hery
Lon-damba sy fahenim-bary ; ka izay maharitra ela dia herinandro
hery
Mitsaha-menomenona ohatry ny vary sosoa
hery
Aza miantsambotsambotra toy ny vary kely an-daona
hery
Tsy nahin’ny sosoa no nitobaka, fa ny mpandoatra no vinitra
hery
Ny lainga toy ny vary aloha : mahatra-po, fa tsy mahavita taona
hery
Aza miteny lango imason’ny vary
hery
Miangolangola manan-drojo ! Zara raha misy hototoina
hery
Mena-maso an-daoka, ka manao fatra-maina
hery
Tsy mahafoy vola hamidy takotra, ka manta vary
hery
Vary lena voatoto : ka samy te-ho lohany
hery
Tsy mahafoy ny rojo aho
hery
Osa, ka tia vary aloha !
hery
Be faniry, kely fila ; ny vary aloha tsy ataon’ny kamo.
hery
Vary iray no nafafy, ka vary zato no miakatra
hery
1
2
3
>