Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
vorona
Hampiditra ohabolana
-29.
Tsy misy mahay milatro tahaka ny dokotra, fa rehefa taitra mirifatra ihany
Mbolahasy
-28.
Aza manao lalitra tsy ho vorona,fa ny kely ihany no ho lasa lehibe
gerardjapon2
-27.
"Ny Manankarena Mety Mbola Hijaly,ary Ny Mahantra Mety Mbola Hifaly"
avoss Jah
-26.
Bangon-takatra ka indray mikopaka dia vita
OZ16
-25.
Gny vorom-potsy tsy lavits'agnomby
OZ16
-24.
Gny nahalava moko gn'akanga dra gny mitao
OZ16
-23.
Vorondolo nitera-boromanga
OZ16
-22.
Mena mason'ny nahiny tahaka ny vivy nanitrika.
aivetinakely
-21.
Zakao amim-pitiavana toy ny alahelon'akoho ny ezaka izay atao, fa na voahosihosy aza ny lamosina, na voatsaingotsaingoka aza ny loha, ny adidy amin'ny taranaka mba vita ihany.
rainisalama
-20.
lany ny kipilipily zato vao tonga ny voron-tsara dia
5laody
-19.
Maro ny vorona fa ny railovy no manga feo, maro ny teny fa ny teny gasy no tsy afako loatra.
soanja
-18.
Akanga mandalo vorombola, ka mipoitra tsanga saingy ambanian'ny olona.
soanja
-17.
Vano ambalam-parihy, ihany mantsy aho, ka raha tazinina toa avo dingana, hatonina kely fingotra.
soanja
-16.
Tsy vorombazaha tsy enina akory aho, ka hitelim-bato madinika.
soanja
-15.
Ao ihany ny takatra nihinana ny valala sy ny vano nitsaingoka ny sahona.
soanja
-14.
Vorondolo miaraka amin'akoho: miala fa tsy havanay. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
-13.
Voronkotsy; miambin-draha tsy an-tegna. (Ohabona BETSIMISARAKA)
soanja
-12.
Voron-tsaporetika, papango didimaso, ka jereo aloha ny tena vao manenitra ny sasany.
soanja
-11.
Tetegna ambenan'akoma: raha bitika be raha miambina.
soanja
-10.
Vorontsiloza , fa loza ihany raha mahita tsaramaso eny am-paniriana.
soanja
-9.
Vorona tokana anosy ka miherikerika irery.
soanja
-8.
Vorompotsy tsy mandao omby.
soanja
-7.
Manandraharaha ny dokotra fa merika ny andro.
soanja
-6.
Vivy nanitrika ka bongo mason'ny nahiny.
soanja
-5.
Arosy tapak'elatra ka hitoetra manina an'Itasy, hanidina tsy manan'elatra.
soanja
-4.
Akanga mitsindroka am-batolampy ka voky vao fanimpanina.
soanja
-3.
Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho mavon-drazana.
soanja
-2.
Ny akanga maro tsy vakin'amboa.
soanja
-1.
Mipaoka imason'ny tompony toy ny voromahery.
soanja
0.
Akohokely lasam-papango ka misidina ambony vao tra-pahoriana.
soanja
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.067