Fanoroam-pejy
Hiditra
Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Nampidiriko
Samihafa
Ohabolana nampidirin'i hery
Hitady ohabolana
Ok
Mampiseho ny 149 - 168 amin'ny 228
Tandremo ny hanan-drariny ; fa ny olombelona toy ny tsingala sy ny dinta, ka saromifanaikitra
hery
Ny fihavanana toy ny raty: raha henjanina, tapaka; ary raha ketrahina miboraka
hery
Maizina ny andro, azo tsilovina; lalina ny rano azo lakanana; lalina ny hady, azo toharina; fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra
hery
Ny mahery tsy maody tsy ela velona
hery
Tsy mba ny tsy avy no andrasana, fa ny vono-kalaina
hery
Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika
hery
Mpirahalahy mian'ala, ka izy tokiko, ary izaho tokiny
hery
Asa vadi-drano tsy vita tsy ifanakonana
hery
Ny hevitra tsy azo tsy amin'olombelona
hery
Aza dia miandry teza ho potraka
hery
Ny teny toy ny atody, raha foy manan'elatra
hery
Tanan-kavia sy havanana, izay didi-maharary. Trano atsimo sy avaratra, izay tsy mahalen-kialofana
hery
Rafotsibe kendam-bomanga ka matin'ny nasesiky ny tanany
hery
Ny hazo tokana tsy mba ala
hery
Tondro tokana tsy mahazo hao
hery
Olon-drery tsy mba vahoaka
hery
Izay be no basy
hery
Ny vitsy lanin'ny vitsika
hery
Ny roa no tsara noho ny iray : raha lavo misy mpanarina
hery
Aza manao kobaka am-bava, volana an-tenda ka hatreo no ho miakatra ihany
hery
First
<
2
3
4
5
6
>
Last