Fanoroam-pejy
Hiditra
Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Nampidiriko
Samihafa
Ohabolana nampidirin'i latina
Hitady ohabolana
Ok
Mampiseho ny 473 - 492 amin'ny 492
Toy ny irai-tampo samy hafa ray, ka samy manana ny azy
latina
Renikoto no fangalarina, rainikoto no ahombiazana.
latina
Ny ray no mihosim-potaka ka ny zanany no vazina
latina
Toy ny ray aman-dreny: ny iray niteraka, ny iray niampofo.
latina
zanaka tsy nateraka mahabe vavorona
latina
Aoka! fa ny renikely no mpanana adidy
latina
Renikely mandoza: samy zanany ihany ka iangarany
latina
aza manao hoe: tombo Ifaralahy, fa naterako
latina
maromaroa ny fiteraka, fa tsy ilaozan'izay ho tsara
latina
Zanaka velon-kalina, ka ny am-pony hafa, ny am-poko hafa.
latina
tsara raha naniry zaza ka tera-dahy
latina
Bevohoka tsy mahalala andro, ka raha teraka izy, babena.
latina
lany tetika toa ondry momba
latina
haronga-pohatra ny momba, ka raha lasa dia lasa tokoa
latina
Mahita loza Ikalamomba, fa misambo-balala ho anjanak'olona
latina
Ikala momba tsy tian-dahy, ka maty vao Ramalala
latina
angady tokana: raha tapaka tsy misy hanakambana azy indray
latina
Ohatry ny momba: tsy misy manao azy reny
latina
toy ny momba: noana, tsy manan-kangatahana, voky tsy manan-kotolorana
latina
Raha vinanto tsara fividy ka mitondra ny matom-periny ary mivimbina ny avany, dia tsy mba vinanto fa isan-janaka indrindra.
latina
1
2
3
>
Last