Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
latina
Hampiditra ohabolana
-29.
Toy ny irai-tampo samy hafa ray, ka samy manana ny azy
latina
-28.
Renikoto no fangalarina, rainikoto no ahombiazana.
latina
-27.
Ny ray no mihosim-potaka ka ny zanany no vazina
latina
-26.
Toy ny ray aman-dreny: ny iray niteraka, ny iray niampofo.
latina
-25.
zanaka tsy nateraka mahabe vavorona
latina
-24.
Aoka! fa ny renikely no mpanana adidy
latina
-23.
Renikely mandoza: samy zanany ihany ka iangarany
latina
-22.
aza manao hoe: tombo Ifaralahy, fa naterako
latina
-21.
maromaroa ny fiteraka, fa tsy ilaozan'izay ho tsara
latina
-20.
Zanaka velon-kalina, ka ny am-pony hafa, ny am-poko hafa.
latina
-19.
tsara raha naniry zaza ka tera-dahy
latina
-18.
Bevohoka tsy mahalala andro, ka raha teraka izy, babena.
latina
-17.
lany tetika toa ondry momba
latina
-16.
haronga-pohatra ny momba, ka raha lasa dia lasa tokoa
latina
-15.
Mahita loza Ikalamomba, fa misambo-balala ho anjanak'olona
latina
-14.
Ikala momba tsy tian-dahy, ka maty vao Ramalala
latina
-13.
angady tokana: raha tapaka tsy misy hanakambana azy indray
latina
-12.
Ohatry ny momba: tsy misy manao azy reny
latina
-11.
toy ny momba: noana, tsy manan-kangatahana, voky tsy manan-kotolorana
latina
-10.
Raha vinanto tsara fividy ka mitondra ny matom-periny ary mivimbina ny avany, dia tsy mba vinanto fa isan-janaka indrindra.
latina
-9.
Diso hery loatra, ka mamely kopala rafozana
latina
-8.
Aza manao toy ny rafozana jamba, ka aleo hateran-tsira kely toy izay homen-damba tsara
latina
-7.
Sarotr'entina toy ny rafozam-be tsiny: omena ny manta, Tsy omby vilany, omena ny masaka, sisa tsy lany
latina
-6.
Kely tratry ny sarotra ohatra ny misao-bady tezitra
latina
-5.
tsy mba fanambadian-kalaina fa avy ho azy toy ny torimaso
latina
-4.
Raha fanambadian-tsy ho vanona, aleo mody hamelon-jaza
latina
-3.
aza lozabe manan'anaka sao tsy manan-dray ny zaza.
latina
-2.
Matahotra ny hisaorana ianao ka mitady ny fanotrehan'atody
latina
-1.
Valala ela nanidinana folak'elatra: raha mahafoy ahy mba foiko
latina
0.
Fara-vady anadahy
latina
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1086