Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Gena
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Gena
Hampiditra ohabolana
1.
Aza manao masoandro avy any atsinanana : ny avo ihany no taingenana ; fa manaova masoandro avy andrefana : izay mivoha idirana avokoa
jock
2.
Volamena notaingenam-boahangy, tafahaona samy mamiratra.
aivetinakely
3.
Be tsy misaina tahaka ny vato, tsy miteny ka taingenam-borona.
aivetinakely
4.
aza manao masoandro avy atsinana ka ny avo ihany no taingenana; fa manaova masoandro avy andrefana ka izay mivoha tsidihana avokoa.
itaramasoandro
5.
Raha olona iray no tsy tia, hitoto koba aho hatavy; Raha olona maro no tsy tia, hisotro tangena aho ho faty
ravomahandry
6.
Raha mbola vao dia mitaingina bao, fa nony tamana taingenan'ny bao.
soanja
7.
tsy folaka fa mandefitra toy ny vero nitaingenam-pody
kiriah
8.
Aza mba be tsy miteny tahaka ny vato fa itaingenam-borona.
aivetinakely
9.
Vero itaingenam-pody, tsy folaka fa mandefitra.
aivetinakely
10.
Na lehibe tahaka ny vato aza, rehefa tsy miteny itaingenam-borona.
aivetinakely
11.
Volamena notaingenam-boahangy ka tafahaona ny samy mamiratra.
aivetinakely
12.
Gena miady amin'ny maizina, ka izay mitsika aloha no vaky vava.
hr9296
13.
Aza matoky tangena entin-drahalahy
latina
14.
Zozoro taingenam-pody tsy folaka fa mandefitra
JMR
15.
Aza manao toy ny masoandro any atsinanana, ny avo ihany no itaingenana fa manaova toy ny masoandro any andrefana, izay mivoha varavarana tsidihina avokoa.
jentilisa
16.
vero taingenam-pody, tsy folaka fa mandefitra
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0936