Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Menatra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Menatra
Hampiditra ohabolana
1.
Toy ny mpivady miara-miasa, menatra ny hifampi-baiko.
MpitadyHasambarana
2.
Longo ratsy tsy menatra izay hitsoriaka
yveratsimb
3.
Toy ny tongotra vakivaky ka sady maharary no mahamenatra
niryna
4.
Tongo-bakivaky ka sady marary no maha-menatra
kiriah
5.
Aleo maty toy izay menatra olona.
soanja
6.
Menatra ny nanaiky tahaka ny vady vao hiatrik'asa.
aivetinakely
7.
Very anjara tahaka ny fitia vazivazy, hamerin-dresaka mahamenatra, tsy hiteny tia ihany
aivetinakely
8.
Tsy misy mahamenatra mihoatra ny mitari-bady tsy lasam-bodiondry
aivetinakely
9.
Ny lehibe toy ny vato ambonin'ny loha, sady mahataho-mahamenatra
niryna
10.
Maharary sady mahamenatra toy ny tongom-bakivaky
niryna
11.
Tsy misy mahamenatra toy ny mitari-bady tsy lasa vodiondry
niryna
12.
Tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamenatra
niryna
13.
Izay sondrian-tory amin'ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra
niryna
14.
Aza menatra ny finoana; nefa koa aza menatra ny fo noana
ilanto
15.
Tsy misy zava-mahamenatra mihoatra ny mitari-bady tsy lasam-bodiondry.
aivetinakely
16.
Menatra ny efa nisaraka ka mitsanga-miankina ihany.
niryna
17.
Toy ny fandiorano ny ratsy;koa miseho, tsy menatra olona;misitrika tsy valahara.
niryna
18.
fery ambany maso, sady maharary no maha menatra
latina
19.
Toy ny tongotra vakivaky, sady maharary no mahamenatra
latina
20.
akofam-bary, tsy menatra izay hiankandrefana
latina
21.
Kitapo tama-misy vola, ka raha mikointsam-poana mahamenatra.
jefra
22.
tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra
zouzou
23.
Tongom-bakivaky sady mahamenatra no maharary
JMR
24.
Sady maharary no mahamenatra hoatran'ny vay an-kandrina
JMR
25.
Aleo maty toy izay menatra
McFy
26.
Menatra ny efa nisaraka ka mitsanga-miankina ihany
McFy
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1312