Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Vary
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Vary
Hampiditra ohabolana
1.
vary sy rano, antsaha tsy mifanary, an-tanana tsy mifandao
RIJA08
2.
Vary amin'anana tonga vahiny ka mamory kitoza tsy fidiny
Zohimbato
3.
ny vary tsy fotsy adidiny laona, ny zazaka adala adidiny Ray aman-dReny
Benjamadagasikara
4.
Ny vary tsy masaka adidiny afo, ny lakan-tsitody adidiny fivoy.
Benjamadagasikara
5.
Raha indray mandeha no manta vary,tsy handevin-tsotrobe.
Ny_Arlinah
6.
Aza milaza ho tsy kitay,tsy vary maina;fa tsy fantatrao izay havoakan'ny ampitso.
Ny_Arlinah
7.
Ny fitiavana vary ahahy ka maina vao alanona
Ajnal
8.
Ny fandrantoana fahendrena dia tahaka ny fikororohana vary amin'ny fararano, ka izay mahay manavaka ny tsiparifary amin'ny vary no hahazo be.
Seranary
9.
Tsa metimety ny fo mpisy vary leky ny sonjo feno fatagna
OZ16
10.
Mba ho tahaka ny rano sy vary ka an-tsaha tsy mifanary, an-tanĂ nana tsy mifandaho.
0000
11.
vato atora-pody ka tsy matahotra izay vary hihintsana
vonynive
12.
Aza manaw toy vary an-tsaha tonga namana haka vao mavomavo
FENOSOA2
13.
Toy ny rano sy ny vary, mifameno hatraiza hatraiza
yveratsimb
14.
Be faniry, kely fila; ny vary aloha tsy ataon' ny kamo
yveratsimb
15.
Manetsa vary mahalana, ka ny atao no alaina.
yveratsimb
16.
Atao adala ka tezitra: vary misy ro ka haronina, sisan' Idalo ka hanina
yveratsimb
17.
Tsy mahafoy vola hamidy takotra, ka manta vary.
yveratsimb
18.
Vary aloha , mahatra-po fa tsy mahavita taona.
aivetinakely
19.
Anantsinahy va aho ka atao ambony vary ?
yveratsimb
20.
Ny lainga toy ny vary aloha, mahatra-po, fa tsy mahavita taona
yveratsimb
21.
Aza mitoto vary an-trano fohy loha
yveratsimb
22.
Ny vary tsy ilaozan' akatatra, tanĂ na tsy ilaozan' adala
yveratsimb
23.
Tsy manan-kamidy ka manontany, vary dimiventy ka avezivezy
yveratsimb
24.
Mihambohambo tsy tia vary mohaka, fa miletra ny masiso be herinandro
yveratsimb
25.
Mitsaha-menomenona hoatra ny vary sosoa voatondraka.
niryna
26.
Manaova toy ny vary , tsy vitan'ny efa mijoro fa miondrika koa maka saina
aivetinakely
27.
Vato atora-pody ka tsy ijerana vary miraraka.
soanja
28.
Fody lahy mena vary ka manandrana alohan'ny tompony.
soanja
29.
Varivary andrian'ny tafo.
soanja
30.
Taky trsa fararano, fa raha tsy vola dia vary.
soanja
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0177