Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Vary
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Vary
Hampiditra ohabolana
61.
Indray mandeha ve no manta vary dia handevin-tsotrobe
JMR
62.
Vary lena voatoto ka samy te-ho lohany
jentilisa
63.
Ny lainga toy ny vary aloha: mahafatra-po fa tsy mahavita taona.
jentilisa
64.
Toy ny vary amin-dronono tondrahan-tantely, ka tian-ko lalina indrindra
hery
65.
Manetsa vary mahalana, ka ny atao no alaina
hery
66.
Nahoana no atao hoe : « Be ny raharaha » ka ny voly vary indray no tsy efa ?
hery
67.
Vary iray no nafafy, ka vary zato no miakatra
hery
68.
Be faniry, kely fila ; ny vary aloha tsy ataon’ny kamo.
hery
69.
Osa, ka tia vary aloha !
hery
70.
Vary lena voatoto : ka samy te-ho lohany
hery
71.
Tsy mahafoy vola hamidy takotra, ka manta vary
hery
72.
Aza miteny lango imason’ny vary
hery
73.
Ny lainga toy ny vary aloha : mahatra-po, fa tsy mahavita taona
hery
74.
Aza miantsambotsambotra toy ny vary kely an-daona
hery
75.
Mitsaha-menomenona ohatry ny vary sosoa
hery
76.
Nahoana no atao hoe : be ny raharaha, ka ny voly vary indray no tsy efa
hery
77.
Vary iray no nafafy ka vary zato no nojinjaina
hery
78.
ny alahelo toy ny vary an-tsompitra; ka ahafahana iray fatambary isan'andro, dia ho levona ihany ny farany.
jentilisa
79.
Be raharaha ve dia ny voly vary indray no tsy efa?
jentilisa
80.
Vary dimiventy namidy vozon-kena, kely ihany fa misavily any an-katony
McFy
81.
ny laona sy ny fanoto no miady ka ny vary ny mongo sy voaenda-damba
jentilisa
82.
Aza miteny lango imason'ny vary
jentilisa
83.
Vomanga an-kady; amidy vola tsy lafo, atakalo vary tsy foy
McFy
84.
indray mandeha ve no manta vary dia handevin-tsotrobe
jentilisa
85.
Vary sy rano an-tsaha tsy mifanary an-tanàna tsy mifandao
vale
86.
Tsy mahafoy hamidy takotra ka manta vary
ftma
87.
Toto vary lena ka samy te-ho lohany
hery
88.
Vary vokatr'ibetsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa
hery
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0176