Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Vary
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Vary
Hampiditra ohabolana
61.
Ny lainga toy ny vary aloha: mahafatra-po fa tsy mahavita taona.
jentilisa
62.
Toy ny vary amin-dronono tondrahan-tantely, ka tian-ko lalina indrindra
hery
63.
Manetsa vary mahalana, ka ny atao no alaina
hery
64.
Nahoana no atao hoe : « Be ny raharaha » ka ny voly vary indray no tsy efa ?
hery
65.
Vary iray no nafafy, ka vary zato no miakatra
hery
66.
Be faniry, kely fila ; ny vary aloha tsy ataon’ny kamo.
hery
67.
Osa, ka tia vary aloha !
hery
68.
Vary lena voatoto : ka samy te-ho lohany
hery
69.
Tsy mahafoy vola hamidy takotra, ka manta vary
hery
70.
Aza miteny lango imason’ny vary
hery
71.
Ny lainga toy ny vary aloha : mahatra-po, fa tsy mahavita taona
hery
72.
Aza miantsambotsambotra toy ny vary kely an-daona
hery
73.
Mitsaha-menomenona ohatry ny vary sosoa
hery
74.
Nahoana no atao hoe : be ny raharaha, ka ny voly vary indray no tsy efa
hery
75.
Vary iray no nafafy ka vary zato no nojinjaina
hery
76.
ny alahelo toy ny vary an-tsompitra; ka ahafahana iray fatambary isan'andro, dia ho levona ihany ny farany.
jentilisa
77.
Be raharaha ve dia ny voly vary indray no tsy efa?
jentilisa
78.
Vary dimiventy namidy vozon-kena, kely ihany fa misavily any an-katony
McFy
79.
ny laona sy ny fanoto no miady ka ny vary ny mongo sy voaenda-damba
jentilisa
80.
Aza miteny lango imason'ny vary
jentilisa
81.
Vomanga an-kady; amidy vola tsy lafo, atakalo vary tsy foy
McFy
82.
indray mandeha ve no manta vary dia handevin-tsotrobe
jentilisa
83.
Vary sy rano an-tsaha tsy mifanary an-tanàna tsy mifandao
vale
84.
Tsy mahafoy hamidy takotra ka manta vary
ftma
85.
Toto vary lena ka samy te-ho lohany
hery
86.
Vary vokatr'ibetsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony samy mitazana avokoa
hery
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.069