Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe adino
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
adino
Hampiditra ohabolana
1.
Hadinoy ny lasa ary aza tsikeraina intsony ny lavenonany.
myriah3
2.
Ny Havana aza mba hadinoina, toy ny kitapo nahafahana entana
yveratsimb
3.
sahala ,ny rajako na fa antitra aza tsy manadino tsambokina
19822709
4.
Ny tandrify maso tsy mivily, ny tendrika ny fo tsy hadino.
aivetinakely
5.
Adino daholo ny hevitra mahasoa amin'ny fotoana ilaina azy
niryna
6.
Izay tsy itan'ny maso dia mora adinon'ny saina
niryna
7.
Miambovona tahaka ny vehivavy vita fomba, ka manadino ny adidy miandry.
aivetinakely
8.
Henjan-daditra tahaka ny mpitaon-jezika, manadino mampinono zaza.
aivetinakely
9.
Mahafinaritra ny mijery ny tongotra mandia amin'ny tany kanefa aza adino ny mamindra
niryna
10.
Nahita ny mamiratra ka nanadino ny andefomandry, nosavihin-doza ka vonjeo aho malala.
aivetinakely
11.
Antsan'ny mpandresy ka mampanadino ny ady mafy natrehina.
aivetinakely
12.
Ataovy fitia jerijery, ka hadino eny ampandehanana ihany.
aivetinakely
13.
Maika handroso avara-patana ka ny fomban-tany hadino.
aivetinakely
14.
Sahiran-dava tahaka ny rafozana tonga vinanto ka manadino ny hanitra tokony hampitaina.
aivetinakely
15.
Ny tia tsy manadino, ny tiavina kosa be arirarira.
aivetinakely
16.
Izay niara-nivazo tsy mifankafoy, fa izay niara-nihira kosa tsy mifanadino
aivetinakely
17.
Misalasala aho, fa te-handefitra manana ny rariny, te-hanadino ny lasa nefa ny ratrany mbola tsy sitrana.
aivetinakely
18.
Kristianina mpamonjy alahady, fa andavanandro manadino ny Mpahary.
ilanto
19.
Ny fanadinonao ny tarigetranao no vato misakana eo anolonao tsy ahatanterahanao azy.
niryna
20.
Ny havana aza hadinoina, toy ny kitapo nahafahana entana
ikalamako
21.
Aza hadino ny zaton-kaja fanome ny sy ny fitia fitondra ho andreny
aivetinakely
22.
mamy ny atsy fy ny aroa, tiana ho azo daholo izay hita hany ka hadino ny antsipirian'ny tena fiainana momba ny tena
ikoto
23.
Zazalahy mianala, ny hazon'Andriana adino fa ny fanoto no lanjalanjaina
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0906