Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe am-bato
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
am-bato
Hampiditra ohabolana
1.
Aza atao toy ny fihavanam-bato , fa raha tapaka tsy azo hatoy
hasinasamael2016
2.
Aza atao fihavanam-bato fa raha tapaka tsy azo atohy intsony
OZ16
3.
Aza atao fihavanam-bato, ka raha tapaka, tsy azo atohy; fa ataovy fihavanan-dansy,ka raha madilana,azo tohizana.
sylvianna
4.
Aza atao toy ny fihavanam-bato ny fihavanana,fa ataovy toy fihavanan-kazo,ka raha tapaka ary azo hatoy.
falinafs
5.
Tolona am-batolampy ny fiainana ka izay tsy mitandrina vaky loha.
Ligo
6.
Afa-draorao toy ny tany dilatra nahafaham-bato.
BEDOGAIGY
7.
Ovy haniry tsy tam-bato. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
8.
Ovy am-bato gny olona: raha mieto fa tsy tapitra. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
9.
Akanga mitsindroka am-batolampy ka voky vao fanimpanina.
soanja
10.
Ny ovy haniry tsy voasakam-bato.
soanja
11.
Anaram-potsiny tahaka ny fihavanam-bato
aivetinakely
12.
Aza atao fitiavam-bato ka raha tapaka tsy azo atohy, fa ataovy fitia tantely ka mamy lava ao am-bava.
niryna
13.
MImenomenona hoatran'ny ampelam-batotra
niryna
14.
Aza atao fitiavam-bato, raha tapaka tsy azo atohy
niryna
15.
Aza atao fihavanam-bato ka raha tapaka tsy azo atohy, fa ataovy fihavanan-dandy, ka ny madilana tentenina, ny mainto atohy.
aivetinakely
16.
Aza manao fihavanam-bato ka raha tapaka tsy azo atohy.
niryna
17.
Toy ny ovy am-bato ny olona, maniry ihany fa tsy tomombana
latina
18.
Atody tsy miady amam-bato
latina
19.
Mitolona am-batolampy ka izay ratsy fihazona no vaky loha
latina
20.
aza manao fihavanam-bato ka raha tapaka tsy azo atohy
ramilo
21.
Aza atao fihavanam-bato, raha tapaka tsy azo atohy, fa ataovy fihavanan-dandy, raha tapaka azo tetenina
rajah
22.
Tolona am-batolampy ny fiainana ka izay manao tantsirambina no vaky loha.
ranjalia
23.
Ovy haniry tsy tam-bato, zaza hanjary tsy tan-tsitsika
zanita
24.
Aza atao fihavanam-bato ka raha tapaka tsy azo atohy, fa atovy fihavanan-dandy ka raha madilana azo tohizana
mandrindra
25.
Sakanam-bato, afa-kenatra.
jentilisa
26.
Aza manao fihavanam-bato ka tapaka tsy azo atohy intsony.
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0244