Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe amalona
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
amalona
Hampiditra ohabolana
1.
Be vava nanjono pirina;pirina no azo ka amalona no lazaina nanapa-tady.
Rakoto Mpikabary
2.
Ny amalona aza hono mba miady nefa samy malama, maika fa isika olombelona.
aivetinakely
3.
Mifankatia amin'ny amalona, ka nony sendra tia, nabolilany
yveratsimb
4.
Na fy aza ny amalona , ny lela tsy atao jono
aivetinakely
5.
be vava nanjono pirina ; pirina no azo ka amalona no lazaina fa nanapa-tady
bobone
6.
Tojo ny amalona be menaka hoe ka tsy mahalala zanaka amam-para, ka rehefa kenda dia hoe dony kely aho ranaotra
sylvoalias
7.
Naniraka amalona hatsàka, tonga an-tanindrazany izy de tamàna.
aivetinakely
8.
Matin-kaninkely toa amalona.
aivetinakely
9.
Naniraka amalona hantsaka, afoizo fa tonga an-tanindrazany.
aivetinakely
10.
Aza be siasia toy ny amalona andrano.
niryna
11.
Mifankatia amin'ny amalona;ka nony sendra tia, nabolilany
niryna
12.
Matin-kanin-kely toa amalona
latina
13.
za-drano toa amalona antitra
latina
14.
Toa an'ilay jamba nomena amalona: koa amalona, hono, ity, andriamanitra!
latina
15.
Mikapoka amalona am-bovo, misakana ny mbola ho avy
latina
16.
Mifankatia amin'amalona, : ka nony sendra tia, nabolilany
latina
17.
Za-drano, toa amalona antitra.
soanja
18.
Namintana amalona nahazo do, samy vandambandana fa tsy izy
Viky
19.
Na fy aza ny amalona ny lela tsy atao jono.
hery
20.
Mifankatia amin'ny amalona : ka nony sendra tia, nabolilany
hery
21.
mifankatia amin'amalona; nony sendra tia nabolilany
jentilisa
22.
Aza mila lolotr'amalona amin-kavana
hery
23.
rendrika vao nahazo amalona
jentilisa
24.
Fy ny toho, fy ny amalona, fa ny lelako tsy ataoko jono.
lanto
25.
Ny olombelona toy ny amalona an-drano ka be siasia , an-tanety be ahiahy
eugene
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0204