Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe aoka
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
aoka
Hampiditra ohabolana
1.
Tanora ratsy fihary, antitra voa ratsy laoka
Koloiniaina
2.
Kaokao makoko, kaokaom-balany, tiazy lomoko ty ahin'olo volany!
FatikyRaketa
3.
Ny fahavoazana dia mahafaoka henatra
rado_albert
4.
Tanora ratsy fihary, antitra vao ratsy laoka
MATOKYAH
5.
"Izay nakamban'Andriamanitra aoka tsy ho sarahin'olombelona"
MATOKYAH
6.
"Tanora ratsy fihary, antitra vao ratsy laoka"
MATOKYAH
7.
Ataovy fitia voatavo : raha lena atao laoka, raha maina atao siny ary raha vaky atao toham-baliha hikalokaloko isan' andro
yveratsimb
8.
Natao hitsikitsika hivavahana, kanjo voromahery mipaoka akohokely
yveratsimb
9.
-Indray mandeha no manana patsa indray mahandro ka milaza tsy orin-daoka
danbal
10.
Aza mifampidera vady mahay mandihy, fa aoka ny sandry no hitsara azy.
hajaxy
11.
ny saina toy ny havitra: koa raha tsotra loatra, tsy mitondra; ary raha melo-doatra, mipaoka izay tsy hopaohina.
itaramasoandro
12.
Ragnalahy nitono voamaho: azon-tsaoka an-dragno. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
13.
Mipaoka imason'ny tompony toy ny voromahery.
soanja
14.
Roborobo no an'ny vahiny, fa ny tompon-trano no mandraoka ny lavenona.
soanja
15.
Aoka tsy hanao toy ny mpirafilahy miray fandriana, ka tsy afaka hiray lamba, na samy te-hiady amin'ny hatsiaka aza.
Razatovo
16.
Ny fiainana ihany no atao hoe fiainana, ny herimbaratra ihany no mamaoka herimbaratra, ka ny fahafantaranao anao dia mampanakarena anao irery
niryna
17.
Tia olona tsy tia ny tena, aoka hionona hiandry ny rariny.
aivetinakely
18.
Papango nifaoka hodi-tsokatra: nahazo ihany fa akorany
niryna
19.
Aza matoky saka fa trondro no laoka.
sylvoalias
20.
Aza midera vady mahay mandihy fa aoka ny sandriny no hilaza azy
niryna
21.
Tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka.
aivetinakely
22.
Aza matoky saka fa trondro ny laoka.
aivetinakely
23.
Tanora ratsy fiary antitra vao ratsy laoka
niryna
24.
Tanora ratsy fihary, ka antitra vao ratsy laoka.
aivetinakely
25.
Ataoka adala toa tezitra, ataoko hendry kanefa toa asa..
niryna
26.
Aoka! fa ny renikely no mpanana adidy
latina
27.
Ombilahy mifaoka am-botry ka mavon'ny nataony
latina
28.
Monina ambanin'ny saokan'ny hendry
latina
29.
botry milaoka, ka tambavian-koman-kena
latina
30.
Ny kary aza mitsaoka amin'Andriampatsa mahazo, ka indrindra fa ny havana.
latina
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4396