Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe farany
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
farany
Hampiditra ohabolana
1.
Tsisy farany ohatran`ny zoma voalohany
RIJA08
2.
Tsy mitsinjo ny farany ohatra ny andevo mahita fotsim-bary
todisoaerickbruno9
3.
Banga mifanoroka, ka fotodela no farany
mthzah
4.
"Amin'ny izay rehetra atao, tsarovy fa misy ny farany"
manirii
5.
Mitery omby tsy mirohy hoatra an-dRabemalo, ka ho fatin'ny daka no farany
yveratsimb
6.
Diamangam-boka: hehy no farany
yveratsimb
7.
Kalon' antitra ka tany no farany
yveratsimb
8.
Ny hazo tapahina manam-pototra, ny hazo vakina misy ilany, ny teny atao misy farany.
niryna
9.
Raha mbola hisy koa ny farany dia tsy ho foana ny fanantenako
walte
10.
Atodin-tetso: sady farany, lohany. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
11.
Toy ny taretra ka ny farany ihany no alain-taranaka.
soanja
12.
Toy ny aviavy ka mangidy am-boalohany, fa mamy amin'ny farany.
soanja
13.
Za-dratsin'ny mangalatra, ka nony farany mifanena amin'ny mpaka kitay.
aivetinakely
14.
Bevohoka mitsinjo ny farany, mihinan-dravim-bomanga andro aman'alina.
aivetinakely
15.
Mora lasa vinany tahaka ny vehivavy, miantsampy hazo tsy fantatra no iafarany.
aivetinakely
16.
Vinanto tia fosa rafozana, tsy mitsinjo ny ho farany.
aivetinakely
17.
Ny ela nandeferana tsy mahandry ny ho farany
aivetinakely
18.
Toy ny kalon antitra, ka tomany no farany.
kanto1
19.
Miriorio ny angidina ka any an-kady no hiafarany
niryna
20.
MIriorio ny angidina kanefa any an-kady ihany no hiafarany
niryna
21.
Izay mihomehy farany no lava fotoana hihomehezana
niryna
22.
Miriorio toy ny angidina kanefa any an-kady ihany no ihafarany
niryna
23.
Miriorio ny angindina fa any an-kady ihany no hihafarany
niryna
24.
Hiran'Ikalamomba, ka ranomaso no farany.
ikalamako
25.
Mifankatia tsy mifamarafara, ady no farany.
niryna
26.
aza tsy tia vady, fa tsy ny voalohany no vady, fa ny farany
latina
27.
fitiavan'alika ka fifandroritana no hiafarany
nalaina
28.
Mifankatia tsy mifamarafara, ady no farany
zouzou
29.
Sotro ranon' alika farany vao misy ventiny.
hery
30.
Jamba mifampitantana ka any akady no hiafarany
doum
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0353