Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fitiavana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fitiavana
Hampiditra ohabolana
1.
Ny tena fitiavana tsy sento ka hoe miserana fotsiny ihany.
Maminirinaheryz_
2.
Ny fitiavana dia toy ny ody mahajamba
dadafara_kely
3.
Ny tselatra atosiky ny varatra, ny orana atosiky ny rahona,fa ny olona atosikiny fitiavana.
Benjamadagasikara
4.
Mbola Mahery Ny Fitiavana,nony Ny Sandry.
avoss Jah
5.
Ny fitiavana vary ahahy ka maina vao alanona
Ajnal
6.
Ny fitiavana toy ny afo,mandoro raha kasihana,ary manafana raha sendra andro mangatsika
Haraldtohaina
7.
Aza manana fitiavana vita sinoa.
Topher
8.
Atao fitiavana trondro sady ompiana no akana taranaka
1406
9.
Afo ny fitiavana ka tsy azo sangiana
ranjalahygedeon1
10.
Aza velarina eny amorondalana ny fitiavana fa hitsakitsahin'ny mpandalo
njrtkr
11.
ny fitiavana toy ny ketsa ka mora afindrafindra
Tankapa
12.
Mianatra mitia isika avy amin'ny fitiavana ao anatintsika.
niryna
13.
Aza matoky fitiavana ka hitanjaka imasom-bady
yveratsimb
14.
Ny fitiavana toy ny lambamena ka faty no hisarahana
yveratsimb
15.
Tantely be ronono ny fitiavana ka arakaraky ny hizaranao azy no vao maika ahazoana fifaliana.
yveratsimb
16.
Aza atao toy ny fanjaibe hazo ny fitiavana, very tsy mampamoifo, hita tsy mahafaly
yveratsimb
17.
Aza atao vato natsindry ahazana ny fitiavana, ka rehefa vita ny nilàna azy atsipy any andavaka.
aivetinakely
18.
Ny fitiavana dia tsy lany hamamiana, toy ny fary lava vangy
yveratsimb
19.
Mampaharary vao mihà-tiana ohatry ny fitiavana
kiriah
20.
Kiady eny amoron'ny hantsana ka tsy hasarotana fa fitiavana.
soanja
21.
Vitsika mifanoroka lava, tsy de fitiavana fa fomban-drazana.
aivetinakely
22.
Aza mora mamoifo fa mora volena ny fitiavana.
aivetinakely
23.
Mafy orina tahaka ny vatolampy ny fitiavana, ka tsy azo hozongozonina.
aivetinakely
24.
Antsapaka ny fitiavana, ka samy mandray sy mifaly amin'ny tandrifiny.
aivetinakely
25.
Ataovy ambongadiny tahaka ny fitokisana fa aza atao antsinjarany tahaka ny fitiavana, ka misy ny sarisarim-pitia.
aivetinakely
26.
Vazon-kira sa vazon-drano, sady tsy vazon-kira no tsy vazon-drano fa avia hitafa fitiavana.
aivetinakely
27.
Ny fitiavana tahaka ny voanjobory mamelana, totofana vao maika mirohotra
aivetinakely
28.
Miaina tsy misy fitiavana toy ny vonikazo tsymisy fofona
Blazao
29.
Izay anjakan'ny fitiavana tsy anjakan'ny haizina
DMX
30.
Mora hafindra toy ny ketsa ny fitiavana.
niryna
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0171