Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fitiavana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fitiavana
Hampiditra ohabolana
31.
Mora hafindra toy ny ketsa ny fitiavana.
niryna
32.
Fanjaibe hazo ny fitiavana ka very tsy mampamoifo, hita tsy mahafaly.
aivetinakely
33.
Ny fitiavana toy ny sora-jandiana ka samy mifidy izay tiana
niryna
34.
Ny fitiavana toy ny sora-jandiana ka samy mifidy ny tiana
niryna
35.
Ny fitiavana dia tsy mena mivadika toy ny andro ririnina
niryna
36.
aza jamba amin'ny fitiavana fotsiny tahaka ny biby mahita sakafo
voniala
37.
Ny fitiavana dia toy ny avelo, inoan'ny rehetra fa mbola tsisdy nahita maso.
sejianis
38.
Avy amin'ny vavan'ny olona no fifaliana ao anatiny, araka ny fitiavana ao anaty no ahafahanao mitia
niryna
39.
Ny fitiavana dia saro tadiavina toa tao-polesy
niryna
40.
Ny fitiavana dia tsy lany hamamiana toy ny fary lava vany
niryna
41.
Tantely be ronono ny fitiavana ka arakay ny hizaranao azy no vao maika ahazoana fifaliana.
niryna
42.
Ny fitiavana tahaka ny ketsa ka mora afindra.
aivetinakely
43.
Misoko mangina toa ranom-panala ny fitiavana, an-koditra vao mahangoly.
aivetinakely
44.
Sora-damba antsena ny fitiavana, ka samy mifidy ny tiany.
aivetinakely
45.
Aza atao toy ny fanjaibe hazo ny fitiavana, very tsy mampamoifo, hita tsy mahafaly.
aivetinakely
46.
Aza matoky fitiavana ka hitanjaka imasom-bady.
lanto
47.
Ny fitiavana toy sora-jandiana ka samy mifidy izay tiana.
niryna
48.
Ny fitiavana toy ny lamban'akoho ka faty no hisarahana.
niryna
49.
Ny fitiavana toy ny lambamena ka faty no hisarahana.
niryna
50.
fitiavana vita sedra fitia mandra-maty!
jolie
51.
ny fitiavana tahaka ny afo: raha lalaovina mandoro, raha koloina mahamasa-bary
kofaakama
52.
lany andro mifampidinika tahaka ny saka manao fitiavana
nalaina
53.
ny fitiavana maloto toy ny lomotra ambony vato ka raha diavina mandavo
ndixa
54.
Ny fitiavana dia tahaka ny vonin-draozy mivelatra maraina ka izay miraparapa haka azy dia voatsindrona
bobone
55.
toy ny fitiavana tsy hita fototra ka mahafanina ny tsy tia
Rapha
56.
Aza manao fitiavana toy ny an'ny havana fa hena-maso no be diabe
Maheriloha
57.
Fitiavana tsy raikitra tsy atao hanimba fihavanana.
ariel
58.
ny fitiavana iray afaka mizara ho an'olona maro fa ny fitiavana ny iray tsy azo zaraina ho an'olona roa
kent
59.
aza mbola fohazina ny fitiavana refa tsy mbola @fotoanany
doum
60.
ny fitiavana tahaka ny afo ka izay milalao azy ihany no may
doum
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0473