Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe koto
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
koto
Hampiditra ohabolana
1.
Sotro ranon'ny mahantra,tsy hetaheta fa fanampi-tsakafo "Zavona Rakoto"
ZavonaRakoto
2.
very salaka mitovy ka ny hisavasavana ny raviny hahitana ny fotony. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
3.
toratoraka voan-tsakay,ny voatoraka nanifi-tanana;fa ny mpitoraka nikoso-maso. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
4.
Mora ny manapa-kevitra fa sarotra ny hevitra tapaka. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
5.
Omby masiaka mifatotra ny marina ka loza hoan'izay mamoraka azy. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
6.
Akoholahy mitelin-koto: raha mahay mitelina dia tohan'aina, raha tsy mahay mitelina, dia singotry ny lela.
aivetinakely
7.
Ny fihavanana tahaka ny volonkotona : hatonina, manalavitra ; halavirina, manatona
yveratsimb
8.
akoholahy mitelin-koto: raha mahay mitelina dia tohan’aina; raha tsy mahay mitelina, dia singotry ny lela.
itaramasoandro
9.
Aza manao tsitsik'ombin'Ibetsileo; ny ombin'Ikoto an'Ikoto ihany, ary ny ombin'olona an'Ikoto ihany koa.
soanja
10.
Boka Ikoto tsy elon'Ikala, boka Ikala tsy leon'Ikoto.
soanja
11.
Renikoto no fangalarina, rainikoto no ahombiazana.
latina
12.
toy ny momba: noana, tsy manan-kangatahana, voky tsy manan-kotolorana
latina
13.
Izay maharitra vadin' andriana fa izay tsy maharitra vadin' ikotokely.
vahatra22
14.
Ny hitsitokotokoan'ny lohany, hahasamihafa ny heviny
marozevo
15.
boka ikala tsy renin'iny koto, boka ikoto tsy rain'i kala, boka vao misara mianakavy.
estine
16.
Izay maharitra vadin'Andriana, izay tsy maharitra vadin'i Kotokely
JMR
17.
Ikotokely milalao kary ka ny filalaovana ihany ny ahy fa ny kary an-dRafotsibe
Avahi
18.
Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona, hatonina, manalavitra, halavirina manatona
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0166