Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe marina
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
marina
Hampiditra ohabolana
1.
Omby masiaka mifatotra ny marina ka loza hoan'izay mamoraka azy. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
2.
Ny marina toy ny rano tsy mety kapaina
Redd
3.
Ny marina toy ny afo ka raha kobonina mandoro.
ndrina56Oha
4.
Kibokiboin'ny marina ka milaza tsy anontaniana.
ndrina56Oha
5.
Mangidy andro matetika andrenesana hoe marina entina mamadika ny marina
ramarosonfanantenanafrancky
6.
Raha tsy te-hanenina na hitomany,manaova ny marina hatrany.
midrou
7.
Tsy ahoanao inona izay vavan'olona any, zory andeha amin'ny fahamarinana hatrany ny fiainanao dia ampy
niryna
8.
toko tapaka vilany mitongilana na be na kely fa izay mahita ny marina mba milazĂ
marsonxavier5
9.
teny zato , kabary arivo fa iray iany no marina
marsonxavier5
10.
ny marina toy ny trondro vaventy,ka tsy hita raha tsy any amin'ny lalina
fanantenanahadji
11.
aleo maty amin'ny fahamarinana ,toy izay maty amin'ny fahadisoana.
avoss Jah
12.
saro-tadiavina hoatran'ny aretin-jaza ny marina
manyng2017
13.
Teny zato;kabary arivo fa tokana ihany no marina
Nofy Ny Fitia
14.
Aza manao ratsy,fa ny tsara dia manamarina ny tena
hasina45niaina
15.
Ny marina mitavozavoza resin'ny lainga tsara lahatra
thoto
16.
ny marina toy ny vato am-balam-parihy raha tsy hitan'ny angady lohataona,hitan'ny antsy raha fararano
Nyavorakoto
17.
Fisaka ny to,malama ny marina
tixy14
18.
Ny ditra mameno tanana fa ny nenina mamarina an-kady
ravelobe
19.
Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo lainga tsara lahatra
dagomainty
20.
Aleo ny kely omban'ny fahamarinana toy izay ny harem-bevava azo amin'ny ts rariny
FENOSOA2
21.
Bala hamatra ny marina ka tsy azo atifitra toloho
yveratsimb
22.
Ny olona no miady, ny marina no avoaka
yveratsimb
23.
Ny marina toy ny trondro vaventy ka tsy hita raha tsy amin’ny rano lalina
yveratsimb
24.
Ny marina toy ny afo ka raha kobonina mandoro
yveratsimb
25.
Ny marina toy ny tsiriry anaty harefo : tsy maty, fa malazo
yveratsimb
26.
Ny olona marina ohatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa
yveratsimb
27.
Ny tena marina ohatry ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana
yveratsimb
28.
ny marina toy ny afo, raha fonosina mandoro
yveratsimb
29.
Mpangalatra tsy azo, olo-marina.
soanja
30.
Ny vato no mikodia mitady tany marina.
soanja
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0306