Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe rahona
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
rahona
Hampiditra ohabolana
1.
Be fandrahonana ohatra ny ampanga, mbola any an-tany dia mamonkona totohondry!
hery
2.
Tsy misy mahery noho ny masoandro, fa rehefa sembanin-drahona dia folaka ihany.
Tambanivohidahy
3.
Ny tselatra atosiky ny varatra, ny orana atosiky ny rahona,fa ny olona atosikiny fitiavana.
Benjamadagasikara
4.
Ny alahelo toy ny rahona, raha mavesatra mianjera
yveratsimb
5.
Miakatra ho rahona fa mielin-ko zavona.
soanja
6.
Voninahitri ny rahona deraina ihany fa tsy mitoetra
kiriah
7.
Tsy ambony tsy ambany otrin'ny rahona, tsy hay hidina tsy hay hiakatra
Crionlas
8.
Aza miakatra ho rahona ka mihelin-ko zavona
niryna
9.
Ny alahelo toy ny rahona: rehefa mavesatra mianjera
tia
10.
ny alahelo toy ny rahona, rehefa mavesatra mianjera.
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1115