Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Les proverbes contenant zanaka
Liste des proverbes, contenant
zanaka
Insérer un proverbe
1.
Ny reny tsy mahafoy zanaka fa ny zanaka mahafoy reny. ka raha lasa reny hianao ?
niryna
2.
Sanganehana tahaka ny ondry nanambady alika, ny vody lisaka nefa ny zanaka tsy hanahaka.
Bouba_lova
3.
Raha zanaka tsy hanaja ray aman-dreny, miteraha hahita
OZ16
4.
Hovalahy maty zanaka,ka sira no hamoizana azy
Jemmy
5.
Raha zanaka tsy laitra hanarina, miteraha haita
kels
6.
aleo very solonify toy izay very solomaso,aleo very vady toy izay very zanaka
Hasnfan
7.
Manao zanaka anaty fo maharary
yveratsimb
8.
Voanemba mitsipika anjoron-trano ny zanaka manam-bady havana ,tsy very fa miharo amin'ny namany.
aivetinakely
9.
"Samy zanaka mpanefy ka tsy hifampidera taim-by"
mpoon
10.
Zanaka sy ray aman-dreny, tambazako izay mahafoy.
aivetinakely
11.
Rafozan-tsarotiny ka ny zanaka no misolo vady isam-bolana.
aivetinakely
12.
Jamba miteraka zanaka tsara, ka tantarao ahy ny toe-tr'endriny.
aivetinakely
13.
Ny zanaka toy ny tanan'akanjo:atsipy, eo an-damosina;asavily ao an-damosina ihany
niryna
14.
ny zanaka mahafoy ray aman-dreny fa ny ray aman-dreny tsy mahafoy zanaka
mnm
15.
aza manao zanaka anaty fo marary
mnm
16.
Tojo ny amalona be menaka hoe ka tsy mahalala zanaka amam-para, ka rehefa kenda dia hoe dony kely aho ranaotra
sylvoalias
17.
Ny zanaka tiana no hanarina
niryna
18.
Zanaka tokana an-trano ka raha tsy maty voky, maty noana
niryna
19.
Ny eloky ny ray tsy ba eloky ny zanaka
niryna
20.
Ny zanaka hendry mahafaly ny ray, fa ny zanaka adala manome halahelo ny reny
niryna
21.
Izay sondrian-tory amin'ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra
niryna
22.
Izay manangona amin'ny fararano no zanaka hendry
niryna
23.
Raha zanaka no tsy tia ray aman-dreny, miteraha mba ahita
niryna
24.
Ray aman-dreny sy zanaka, tambazako izay mahafoy.
aivetinakely
25.
Tsy misy mamy tahaka ny zanaka, fa rehefa manaiki-nono ahifika.
aivetinakely
26.
Tsy misy mamy tahaka ny zanaka fa rehefa manaiki-nono ahifika.
aivetinakely
27.
Tsisy mamy toy ny zanaka, fa raha manaiki-non akifika
ikalamako
28.
zanaka tsy nateraka mahabe vavorona
latina
29.
Zanaka velon-kalina, ka ny am-pony hafa, ny am-poko hafa.
latina
30.
Raha zanaka tsy tia, miteraha mba hahita
latina
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.7518