Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
fahafatesana
Hampiditra ohabolana
1.
Ny fahoriana tsy misy mpila, fa ny zarany ihany no zakaina.
Mpisorina
2.
Ny tsiny, mantsy, tahaka ny haran-domotra saron-javona ka izay mitsakatsaka ratsy fisikina no solafaky ny setrasetran-tsahondra ka zary very faty eny an-tenantenan-tsolatra
tantanana
3.
Manaova Zavatra Mba Hitiavan'olona Anao
Avoss
4.
Ny Alahelon'ny Olona Iray ,misy Vokany Eo Amin'ny Fiainanao
Avoss
5.
aleo maty ,toy izay mijaly
Avoss
6.
Torabato avy any andanitra ny fahafatesana , ka tsy fantatra izay ho latsahany.
Benjamadagasikara
7.
Ny velona arahim-potsibary ,fa ny maty arahin-damba mena.
Benjamadagasikara
8.
Aleo maty anio toy izay maty androany,ny fahafatesana tsy heloka fa jarahetra
ODILON
9.
Eeee... maty ny kely aina
ded.kitty
10.
Tiatia ny takona , ka diso ny avaratry ny fasana.
soanja
11.
Niolaka ny vato aho, novatoiny; niolaka ny hazo aho, nohazoniny; may Ikakibe vao navelany aho.
soanja
12.
Ny maty handry toy ny vovoka, fa ny velona hihinana toy ny olona.
soanja
13.
Tsy hitanareo va ny maty? Tatarobe miefi-damba, misaron-doha tsy ho aiza. Maraina tsy mba mifoha, hariva tsy mba mamindro; tany mena no ambny tratra, rari-vato no an-dani-mandry.
soanja
14.
Ny fasana, Andriamanantena; fa ny olona kosa, Andrianantenaina.
soanja
15.
Enti-maty toy ny tarehy.
soanja
16.
Gny hafady marary tsy misy, ka gny halofo faty ka misy. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
17.
Raha ho faty aho matesa rahavana! Raha ho faty rahavana matesa ny omby!
sylvoalias
18.
Aza manao fatin-dalitra ka maty mitety ratsy, fa manaova fatin- tantely ka maty mamela mamy ho an'ny fokonolona
niryna
19.
Maty mangina toy ny otrik'afo
niryna
20.
Ny tompony mahazaka ihany fa ny mpamendrofendro no betsaka
niryna
21.
Tany ikafaran-kilevenana;vady tsy tian-kianterana
niryna
22.
Tsy misy malahelo tahaka ny maty vady fa rehefa manitsaka afo, mihinjaka ihany.
aivetinakely
23.
Zara hetra ny fahafatesana ka samy mandray ny anjarany.
aivetinakely
24.
Aleo maty mitsangana toy izay velon-kandady.
lanto
25.
aza manirina omon-tsy afaka aina
latina
26.
ny fahafatesana tsy manisa ny aina efa matiny.
jentilisa
27.
Aza manao ranomaso tsy miaraka amam-paty
Vetso
28.
Raha maty aho matesa rahavana, raha maty rahavana matesa ny omby.
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0216