Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe andro
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
andro
Hampiditra ohabolana
271.
Sambo-balala main'andro tsy azo anio azo rahampitso
doum
272.
Mitsinjo vody andro homerika
doum
273.
Atsipy ny tady eny atandroky ny omby, atsipy ny teny eny am-po ny mahalala
doum
274.
mandrora mitsilany ka mahavoa tena
jentilisa
275.
ny lainga mampisolantsolana andro ilazana, fa mampivalomainty andro ifanatrehana.
jentilisa
276.
Sitrapon-dRalakamisy ny nanambadiany ambaniandro
JMR
277.
Danik'andro mamaky loha sola
JMR
278.
Aza manononofy atoandro
JMR
279.
ny honohono mahakila ny natono sy mampandroatra ronono.
jentilisa
280.
Ny adin-kabary toy ny dontany sy kapotandroka
jentilisa
281.
Ny manaiky lempona iandronan'ny rano sady ho voatondro maso amin'ny andro farany.
jentilisa
282.
Ny ray aman-dreny no masoandro amam-bolana ka lolohavina eo an-tampon'ny loha
JMR
283.
Mahatsara vahiny toy ny takariva mena masoandro
jentilisa
284.
Sambo-balala main'andro raha tsy azoko anio azoko rahampitso
JMR
285.
Ny fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka
JMR
286.
Aleo maty rahampitso toy izay maty androany
JMR
287.
Tandrok'ombalahy : sady haingo no fiarovana
JMR
288.
Aza mahandro hena tsy misy anarana
McFy
289.
Atomo-dava toy ny fandroana
McFy
290.
Aza manao tanin'andron'adevolahy, ka ny kibo no atolotra andro
McFy
291.
ny arivolahy tsy maty indray andro
jentilisa
292.
Ny lainga mampitsolantsolana andro ilazana fa mampivalomainty raha mifanatrika
mandrindra
293.
Omaly ianao nisolanga ho tandrony, anio ianao nisafelika ho sofiny
mandrindra
294.
Ny fanambadiana toy ny jiafotsy : raha vao tia kasokasoka, rehefa tonta tsy hilaozandromoromo
mandrindra
295.
Tana haolo tsy ilaozam-pandrotrarana ; hadivory tsy ilaozan’ ambiaty ; teny maro tsy ilaozan’ izay ota
hery
296.
Lon-damba sy fahenim-bary ; ka izay maharitra ela dia herinandro
hery
297.
Aza ny hafohezan'ny andro no alaina, fa ny halavan'ny taona heverina
hery
298.
Antoandro faka ronono ka nilaozan'ny omby nihahaka
hery
299.
Lany andro am-piresahana ka tsy mitondra mody
hery
300.
Andro iray toa zato
jentilisa
Voalohany
Mialoha
8
9
10
11
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0223