Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fana
Hampiditra ohabolana
271.
Molotra sy nify, izay malemy fanahy tratra am-parany
JMR
272.
Aza manao toy ny masoandro any atsinanana, ny avo ihany no itaingenana fa manaova toy ny masoandro any andrefana, izay mivoha varavarana tsidihina avokoa.
jentilisa
273.
mati-kambo otran' saka, ny tay totofana, ny vody tsy firana
jazz666
274.
Mpivaro-drano tratr'orana ka voan'ny asa fanaony
jentilisa
275.
aleo mifanao sarotra hihavanana amin'ny ela toy izay mifanao mora hiadiana amin'ny farany
jentilisa
276.
Tsingala sy dinta; raha miray trano loza, ary raha mifanaikitra, antambo
McFy
277.
Zaza fito tsy mahafehy trano fa ny fanahy fito no mahafehy trano.
jentilisa
278.
Fanambadiam-boalavo ka samy mikepoka izay azony
jentilisa
279.
Ny fanahy no maha-olona
jentilisa
280.
Tanan-kavia sy havanana, izay didi-maharary. Trano atsimo sy avaratra, izay tsy mahalen-kialofana
hery
281.
Ny fanahy no maha olona
vale
282.
Vary sy rano an-tsaha tsy mifanary an-tanĂ na tsy mifandao
vale
283.
Ny vola fitady, ny herim-po fanary
vale
284.
Tsy misy Ray aman-dReny manolo-bato mafana ny zanany
vale
285.
Aza manao fitiava-molotra tezitra vao mifanantona
vale
286.
Aza dia ny hodi-boanjo fanary no atao sakafo mahavita
ftma
287.
Izay mahavangivangy tian-kavana; ny malemy fanahy tratra am-parany
Fanja1
288.
Aleo ratsy tarehy fa tsara fanahy, toy izay tsara tarehy fa ratsy fanahy
Fanja1
289.
Valala voatango ka very fanahy mbola velona.
lanto
290.
Asa vadi-drano tsy vita tsy ifanakonana
hery
291.
Aza manao fihavan-molotra : tezitra vao mifanantona.
lanto
292.
Ny hery tsy mahaleo ny fanahy.
lanto
293.
Tsy nisy nivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany; ny harena mila vintana ka raha tsy anjara, tsy tonga.
lanto
294.
Tandremo ny hanan-drariny ; fa ny olombelona toy ny tsingala sy ny dinta, ka saromifanaikitra
hery
295.
Aleo kely fanahy sitrak'olona, toy izay be fanahy maty foana
hery
296.
Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana, ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendrany lohaliny.
hery
Voalohany
Mialoha
8
9
10
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0176