Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3091.
Aza manao mpamosavy malemy ka ny ao antrano ihany no veleziny!
sylvoalias
3092.
Aza maika tsy faingana toy ny dianondry.
sylvoalias
3093.
Aza matoky na na vady andefomandry aza, fa ny olona samy manana ny sainy.
sylvoalias
3094.
Sokina nanani-bato ka tapi-dalan-kaleha.
sylvoalias
3095.
Rafotsy be leo trandraka ka matahotra ny vody kifafany.
sylvoalias
3096.
Taitra ny olona tsy mba taitra ka taitra rery vao mamaky takotra.
sylvoalias
3097.
Ny tsinay tsy mba vatsy ary ny kibo tsy mba lamosina.
sylvoalias
3098.
Ny adalanny tena tafian-damba fa ny adalan ny hafa ihomehezana.
sylvoalias
3099.
Hianaro ny fahendrena amin'ny alalan'ny adalan'ny sasany
miainga
3100.
Ny iray tahin'olombelona fa ny iray kosa tahin'Atra
niryna
3101.
Manao ho akan'ny alina, ka misavily sandry maizim-bolana
niryna
3102.
Manao an'Atra ho tsy misy ka mitsambiky mikipy
niryna
3103.
Tsy misy tsy fantatr'Atra saingy minia mihondrika izy
niryna
3104.
Ny valikin-kitsaka noho miverina, toy ny mpamosavy nalevina an-dalana
niryna
3105.
Tafondro natifi-baratra ka tafahaona samy loza
niryna
3106.
Tano mafy ny fananarana fa aza avela hiala.Hazony izy, fa ainao
niryna
3107.
Ny karavasy ho amin'ny soavaly, ny lamboridy ho amin'ny boriky fa ny tsorakazo kosa ho amin'ny lamosin'ny adala
niryna
3108.
Mora hafindra toy ny ketsa ny fitiavana.
niryna
3109.
Raha nisakana izahay zoky, tsy nisy hary hianareo zandry
niryna
3110.
Asa atao an-kira toa vita toa tsy natao
niryna
3111.
Ny lehibe toy ny vato ambonin'ny loha, sady mahataho-mahamenatra
niryna
3112.
Raha tiana aza ny zaza rehefa manaiki-nono akifika ihany
niryna
3113.
Aza atao fitiavam-bato ka raha tapaka tsy azo atohy, fa ataovy fitia tantely ka mamy lava ao am-bava.
niryna
3114.
MIriorio ny angidina kanefa any an-kady ihany no hiafarany
niryna
3115.
Kodiaran-tsarety ny fiainana ka ny ambany mbola ho lasa ambony, ary ny ambony mbola ho lasa ambany
niryna
3116.
Izay manamafy ny fony no hidiran-doza
niryna
3117.
Raha nisaka izahay zoky, tsy nisy hary hianareo zandry
niryna
3118.
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
niryna
3119.
Aza manao ory hava-manana
niryna
3120.
Tsy mba hanan-java-mahory izay manome ny malahelo
niryna
Voalohany
Mialoha
102
103
104
105
106
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0802