Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3061.
Aza atao fitiavam-bato ka raha tapaka tsy azo atohy, fa ataovy fitia tantely ka mamy lava ao am-bava.
niryna
3062.
MIriorio ny angidina kanefa any an-kady ihany no hiafarany
niryna
3063.
Kodiaran-tsarety ny fiainana ka ny ambany mbola ho lasa ambony, ary ny ambony mbola ho lasa ambany
niryna
3064.
Izay manamafy ny fony no hidiran-doza
niryna
3065.
Raha nisaka izahay zoky, tsy nisy hary hianareo zandry
niryna
3066.
Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
niryna
3067.
Aza manao ory hava-manana
niryna
3068.
Tsy mba hanan-java-mahory izay manome ny malahelo
niryna
3069.
Ho faly ny vahoaka, raha mihamaro ny marina
niryna
3070.
Aza madio ivelany tahaka ny tsihy.
niryna
3071.
Ny vodi-tsobika aza manan-tandrify
niryna
3072.
Aza mitari-bato vilam-bava, ny tondroin'ny molony hafa, ny lazain'ny vavany hafa
niryna
3073.
Ny zanaka tiana no hanarina
niryna
3074.
Vavaolombelon'ny mpiasa ny bainga voavadika
niryna
3075.
Aza mitaraina tana-miepaka
niryna
3076.
Fatra-pifidy ny manganana ka sendra ny mangidy tsy telina
niryna
3077.
Efa leom-boanana ka tsy te-hierika zava-boribory intsony.
niryna
3078.
Izay mitambatra vato fa izay misaraka kosa dia fasika
niryna
3079.
Raha tsara tarehy kanefa tsy manana fanahy dia toy ny ako-bolamena ka mamiratra jerena
niryna
3080.
Izay mivoaka iray babany avokoa
niryna
3081.
Tsara loha ka endrehin-drandrana
niryna
3082.
Ny sakay no mahery an-tanin'olona
niryna
3083.
Raha mitambatra isika dia vato, fa raha misaraka kosa dia fasika
niryna
3084.
Ny adala aza rehefa tsy miteny toa hendry ihany no fijery azy
niryna
3085.
Izay sahy maty ihany no mifono lamba-mena
niryna
3086.
Mihomehy hianao, mihomehy ny rehetra, mitomany kosa hianao dia hianao irery no manao izany
niryna
3087.
Izay mihomehy farany no lava fotoana hihomehezana
niryna
3088.
Mateti-pihavy toa akoho misotro rano
niryna
3089.
Maharary sady mahamenatra toy ny tongom-bakivaky
niryna
3090.
Aza mandray ombalahy latsaka an-tatatra fa raha afaka izy manoto.
niryna
Voalohany
Mialoha
101
102
103
104
105
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0222