Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
3031.
Misy andro tokony hanginana, ary misy fotoana tokony hitenenana, toy ny katsaka ela nihantonana sy tsaramaso ela nihahazana, ka miandry ny fotoana hitsiriany.
aivetinakely
3032.
Tsy ny atody lamokany handoto ny rivotry ny mpianakavy, fa ny atody foy efa zary zanany, mikiokioka vao hary elatra.
aivetinakely
3033.
Ny valiha no tsy mifehy loha tsy marary;ny tongobolo no tapenam-bava tsy miteny;ny ombalahy tanimanga no tsy afa-mitrena soloam-bava.
aivetinakely
3034.
Ny tany sy lanitra no tsy nikambana, hisian'ny rivo-pamelona, ny vary sy rano no tsy mifandao, natao hifameno.
aivetinakely
3035.
Ikopa no renirano malaza, ampian'ny tatatra arivo saha, ny foto-kazo no midoroboka, ny sampany sy ny rantsany no misandrahaka.
aivetinakely
3036.
Tsy mety ny manao toy ny ganagana, ka ny lahy hitarika indray no kely feo.
aivetinakely
3037.
Ianareo vorona manim-poto-kazo, izahay hazo miandry voron-kitoetra.
aivetinakely
3038.
Sola tsy noratraina, hono, ny akanga, menaloha tsy voadidy ny akoholahy, ary ny tandroka tsy niala tamin'ny loha omby, tsy takaitra fa voajanahary.
aivetinakely
3039.
raha ho eny Mahamasina ve tsy hahatsinjo ny anjelin'Anosy, raha mandalo an'Analakely ve tsy hahatazana ny famantaran'andron'ny gara sy Faravohitra.
aivetinakely
3040.
Ny basy ni hifampitifirana, ny antsy no hifandrasàna, fa ny vava no hifampiresahana.
aivetinakely
3041.
Tsy hoe lava volo an-katoka akory ka hatory tsy miondana.
aivetinakely
3042.
Ny kary no be mpanakora, ny kisoa no be tondro molotra, fa ny olona tokony ho be fihavanana.
aivetinakely
3043.
Ny rano am-parihy, hono, no fanovo amin-jinga, ny vary no fitoto an-daona, ary ny sompitra ambany rihana no miantoka ny taon-tsarotra.
aivetinakely
3044.
Raha torimaso, hono, no tsy taitran'amponga, fohazy sao nodimandry, ary raha teny aman-kilontsaina no fonosina tsy hivoaka, tandremo fa sao very hasina
aivetinakely
3045.
-tsarovy fa ny lainga dia aretina mikiky ny tokatrano.
tendry77
3046.
Aleo manontanitany foana hihomehezana toy izay manaon-tao foana hanala-baraka.
sylvoalias
3047.
Kokokokon'akoho hoe ka tsy hanina hahavoky fa kosa voninahitra ifanomezana
sylvoalias
3048.
Trano bongo misy ronono ka sarotra ny atao hoe malahelo.
sylvoalias
3049.
Boloky lahy homam-boa-tseva ka mamy ny ato fy ny aroa.
sylvoalias
3050.
Ela nitoratorahana hoe ka nahavoa mason'angatra
sylvoalias
3051.
Ny ana-dray aman-dreny hono hoe toy ny tsipak'omby lahy, ka raha mahavoa mahafaty fa raha tsy mahavoa kosa mahafanina.
sylvoalias
3052.
Matimaty foana toy voron-kely lalaovim-boka.
sylvoalias
3053.
Aza manao bokalahy mahay valiha
sylvoalias
3054.
Tafita vao rendrika toy boka milomano.
sylvoalias
3055.
Sempotra amin'ny zavatra tiany toy ny mpandihy andavenona.(ka aleo maty toy izay hiala maina).
sylvoalias
3056.
Ny vehivavy tsy mba very mandeha.
aivetinakely
3057.
Aza ariana ny havana rehefa lasa ambony
aivetinakely
3058.
Aza atao fitia varavarana aho, tiana ihany fa atositosika, na atao fitia ranotrambo be fiavy fa mora ritra, na fitia paraky ka rehefa matsatso arora, fa ataovy fitia lamban'akoho ka maty vao ialàna
aivetinakely
3059.
Izay tia mahafoy, ny tiana amoizana ny tsy foy
aivetinakely
3060.
Ny vano no fisa-doha matory amorom-parihy, ny faraka no kely andilana ny isan-jato no tsy zaka.
aivetinakely
First
Previous
100
101
102
103
104
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0293