Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
3121.
Ho faly ny vahoaka, raha mihamaro ny marina
niryna
3122.
Aza madio ivelany tahaka ny tsihy.
niryna
3123.
Ny vodi-tsobika aza manan-tandrify
niryna
3124.
Aza mitari-bato vilam-bava, ny tondroin'ny molony hafa, ny lazain'ny vavany hafa
niryna
3125.
Ny zanaka tiana no hanarina
niryna
3126.
Vavaolombelon'ny mpiasa ny bainga voavadika
niryna
3127.
Aza mitaraina tana-miepaka
niryna
3128.
Fatra-pifidy ny manganana ka sendra ny mangidy tsy telina
niryna
3129.
Efa leom-boanana ka tsy te-hierika zava-boribory intsony.
niryna
3130.
Izay mitambatra vato fa izay misaraka kosa dia fasika
niryna
3131.
Raha tsara tarehy kanefa tsy manana fanahy dia toy ny ako-bolamena ka mamiratra jerena
niryna
3132.
Izay mivoaka iray babany avokoa
niryna
3133.
Tsara loha ka endrehin-drandrana
niryna
3134.
Ny sakay no mahery an-tanin'olona
niryna
3135.
Raha mitambatra isika dia vato, fa raha misaraka kosa dia fasika
niryna
3136.
Ny adala aza rehefa tsy miteny toa hendry ihany no fijery azy
niryna
3137.
Izay sahy maty ihany no mifono lamba-mena
niryna
3138.
Mihomehy hianao, mihomehy ny rehetra, mitomany kosa hianao dia hianao irery no manao izany
niryna
3139.
Izay mihomehy farany no lava fotoana hihomehezana
niryna
3140.
Mateti-pihavy toa akoho misotro rano
niryna
3141.
Maharary sady mahamenatra toy ny tongom-bakivaky
niryna
3142.
Aza mandray ombalahy latsaka an-tatatra fa raha afaka izy manoto.
niryna
3143.
Tsy afa -miala toy ny voalavo latsaka ambilanibe
niryna
3144.
Ny vilany no vaky, ny mpandoatra no mimonjimonjy
niryna
3145.
Mitomany randrana manendrika ny sasany
niryna
3146.
Aza miraikitra toa dita
niryna
3147.
Mitsakatsaka foana ka eny am-baravaran'ny mpamosavy no manompy sikidy
niryna
3148.
Kely marary fanaikitra toa parasy
niryna
3149.
ratsy tarehy be vody, tsy avelan'ny vodiny hiahaka
badboy
3150.
Fisaka ny marina ka sarotra fatarina
niryna
Voalohany
Mialoha
103
104
105
106
107
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3385