Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Aty
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Aty
Hampiditra ohabolana
301.
ny velona arahim-potsim-bary, ny maty arahin-dambamena
zouzou
302.
maty be volon-tratra hegnatra ny velogno
salim
303.
raha maty aho matesa rahavana, raha maty rahavana matesa ny omby, .....
doum
304.
Velona iray trano maty iray fasana
doum
305.
Ny marina tsy mba maty
doum
306.
ny todim-paty aza misy fa ny todim-pitia manodiava.
aurora
307.
ny nambolen-tsy naniry, ny nasosoka maty maso
jentilisa
308.
Aza matahotra fa tsy misy tondroina dia maty
jentilisa
309.
Maty mamela mamy tahaka ny tantely
jentilisa
310.
Mpanankarena mahihitra: maty vao misy milanja
jentilisa
311.
Ampananona no maty vady ka Ambohitrandraina no miongo-bolo
jentilisa
312.
tanora be sondrotr'aina mety ho faty alohan'ny marary
jentilisa
313.
Sandry be tsy hery; fahatanorana tsy ody faty.
jentilisa
314.
Ikalamomba tsy tian-dahy ka maty vao Ramalala
jentilisa
315.
Veliranon'amboa izay maty aloha hohanina
jentilisa
316.
Raha nahafaty ny fifosana efa be no lasan-ko-razana
JMR
317.
Manararaotra hoatran'ny olon-droa mandihy maty jiro
JMR
318.
Ny fanambadiana toy ny lamban'akoho ka faty no isarahana
JMR
319.
Fitia tany, velona irezarezana, maty itsilanesana
jentilisa
320.
Mikopa-damba anaty zavona, manao izay tsy ifankahitana.
jentilisa
321.
Namono biby tsy nahafaty ka ifoteran'ny rambony.
jentilisa
322.
Mamitaka ny mividy omby anaty ambiaty.
jentilisa
323.
ny hena masaka no mahavelona, ny hena-maso no mahafaty
jentilisa
324.
voron-tsy rasaina tsy hita aty
jentilisa
325.
Mivoaka ho faty hoatran'ny kankana
JMR
326.
Izay mahasahy maty no mifono lambamena
JMR
327.
Aleo maty rahampitso toy izay maty androany
JMR
328.
ny arivolahy tsy maty indray andro
jentilisa
329.
Ny anadray aman-dreny toy ny tsipak'ombalahy, raha tsy mahavoa mahafanina fa raha mahavoa mahafaty
mandrindra
330.
Ny fihavanana ohatry ny landy : maty isika, ifonosana; velona itafiana ka ny madilana arahim-panondro
hery
Voalohany
Mialoha
9
10
11
12
13
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.1057