Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Aty
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Aty
Hampiditra ohabolana
271.
Lamban'akoho ka faty no isarahana
FRanaivo
272.
Tsy gny marary gny maty, fa gn'alan-janahary
SENATERA
273.
Kindiho gny maty, tonabe gn'an-tanà
SENATERA
274.
Hafa gny ilavoany gny jà, izy gny maty midà
SENATERA
275.
Jiolahy nangalatra hono, ka ny sisa tsy maty mlanja ny hena....
tafita
276.
Maty vao mahiratra toy ny mpamosavin'ny jamba
DEDAKE
277.
maty be tampon-kindy, ka voninahitrin'ny tompombady
miara
278.
Ny teny toy ny ombimanga anaty vero: ka raha pizina, latska an-kady
tia
279.
Ataovy toy ny fihavanam-bary ka antsaha tsy mifanary antanaty tsy mifandao
herikely
280.
ny manambady ny masiaka, mitahiry varatra an-trano ary ny manabady ny kamo, mitahiry faty tsy maimbo
antsiry
281.
Indimy mahita maizina tahaka ny jamba miakanjo mainty, manao solomaso mainty, mandeha ao anaty tonelina amin' ny andro alina
fek
282.
raha voadona ny aty marary ny afero
amina6
283.
Manao faty besakoa laha maty mianky
kalamimi
284.
Raha mahafaty tsy ambara valy
roscarb
285.
Tipaky antakin'anake: tsy maharary fa mahafaty
roscarb
286.
Longo tea tsy atao raty
roscarb
287.
Manaova toy ny Tantely, maty namela mamy
tovolahy007
288.
Ny hena masaka mahavelona, fa ny henamaso mahafaty
marozevo
289.
Ny marina tsy mba maty ka na mihafina aza hita ihany
arina
290.
Ny lemilemin-dradity no nahafaty an-drafody
Malalason
291.
tsipak'ombalahy ny ana-dray sy Reny mahavoa mahafaty tsy mahavoa mahafanina
Malalason
292.
laha ho maty aho, matesa ry iano, laha ho maty ry iano, matesa ry aomby
roscarb
293.
ry iano nahaty raha, fiopioke avao
roscarb
294.
Aza atao fihavanana somidika ambony toa menaka, fa ataovy fihavanana latsaka anaty toa tsoka
rakekely
295.
Rafotsibe kendam-bomanga, maty noho ny nasesiky ny tanany!
jajaf401
296.
ohatran'ny saobakaka anaty sinibe, ny tetik'ady betsaka fa ny oza-pe no tsy ampy
Falitiana2005
297.
Velona tsy raharahiana ka maty vao hitomaniana
danibe
298.
Manankarena mahihitra, maty vao misy mpilanja.
jefra
299.
Raha olona iray no tsy tia, mitotoa koba hatavy; fa raha ny be sy ny maro no tsy tia, misotroa tsingala ho faty.
jefra
300.
Maty tsy alevin-kavana toy ny alika.
jefra
Voalohany
Mialoha
8
9
10
11
12
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0237