Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe izay
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
izay
Hampiditra ohabolana
301.
Izay tianao ataon'ny olona aminao no ataovy amin'olona
niryna
302.
Izay ela netezana no lava volo
niryna
303.
Ny fitiavana toy ny sora-jandiana ka samy mifidy izay tiana
niryna
304.
Izay mahakolokolo no manana ny soa
niryna
305.
Aleo fahalalana toy izay volamena voafantina
niryna
306.
Izay ataonao amin'olona ihany no ataon'ny olona aminao.
niryna
307.
Izay mihita be no tsy lanin'ny mamba
niryna
308.
Tsy misy marenina noho ireo izay tsy miheno
niryna
309.
Maty izay vao hoe ra-malala, ny voninkazo eny an-tanan'ny olona tsara foana
niryna
310.
Aza isaina ny akoho izay mbola any an-kibon-dreniny
niryna
311.
Ny eritreri-dratsy mibaby manaraka izay aleha.
niryna
312.
Sambatra izay olona mahita fahendrena sy mahazo fahalalana
niryna
313.
Izay olona hanarina matetika ka mihamafy hatoka dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana
niryna
314.
Tsy izay tena izy no hitantsika fa izay ao anatintsika no hilazaintsika ilay izy
niryna
315.
Izaho tsy matahotra ny amin'izay zavatra fantatro
niryna
316.
Ny vavolombelona marina milaza izay hitany fa ny vavolombelona ratsy kosa milaza lainga
niryna
317.
Raha miady izay sy ny azy, tsy ahaleo ny naterany
niryna
318.
Izay sondrian-tory amin'ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra
niryna
319.
Izay manangona amin'ny fararano no zanaka hendry
niryna
320.
Izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny
niryna
321.
Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka
niryna
322.
Aleo tsy manana toy izay hanan-dratsy
niryna
323.
Izay ela nohetezana hono lava-volo
niryna
324.
Tao-tranon'Antanànarivo, koa izay mahavita aloha no manenina.
ilanto
325.
Aleo ro-madio tsy arahin-dromoromo toy izay hena matavy arahin'alahelo
niryna
326.
Izay misiditsidina ny eritreriny dia ho potraka noho ny nataony
niryna
327.
Izay adala no toa an-drainy ary ny zafikely taha-draibe.
niryna
328.
Zaro amin'ny lalana izay tokony alehany ny zaza ka na lehibe aza izy tsy hiala aminy
niryna
329.
Tanon'Antanananarivo io ka izay mahavita aloha no manenina.
niryna
330.
Izay tonga taloha no tompon-tanindrazana
niryna
Voalohany
Mialoha
9
10
11
12
13
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1655