Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe izay
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
izay
Hampiditra ohabolana
391.
Izay tiana hono mitombo tarehy.
niryna
392.
Aleo maty mitsangana toy izay velon-kandady.
lanto
393.
Fatra pitady izay tany tsy misy fasana ka sendra izay mihinana olona
niryna
394.
Adin'ny mpirahalahy ka izay mahavita be no manenina.
lanto
395.
Ny teny toy ny foosana, ka izay mamono no mamaha.
niryna
396.
Tsy maso fa sa fiandry loha no tsy mahita izay hojerena?
niryna
397.
Gena miady amin'ny maizina, ka izay mitsika aloha no vaky vava.
hr9296
398.
maromaroa ny fiteraka, fa tsy ilaozan'izay ho tsara
latina
399.
Aza manao toy ny rafozana jamba, ka aleo hateran-tsira kely toy izay homen-damba tsara
latina
400.
aza ny vady an-trano no atao tsy ho zavatra, fa izay mihaingo tsara avokoa
latina
401.
aleo adala tena toy izay adala renianaka
latina
402.
Izay manjo vady, manjo tena
latina
403.
izay manao ratsy: raha tsy malazon'ny andro, mantsasaky ny alina.
latina
404.
Tsy mahalala izay varavaran-kodiavina ohatra ny akoho amidy ao an-tsena
latina
405.
Be ihany no mahay Andrianoly, fa izay manga feo ihany no izy.
latina
406.
izay manoro lalana mahitsy, mamindra aina
latina
407.
lambam-boka, ka izay sahy no mindrana
latina
408.
Fotsy maso an-danonana, ka izay an'ny tena no adiridiry
latina
409.
Lomanon'ilay jamba, ka izay hidonan'ny loha no hiakarany
latina
410.
Ady misy hena, ka izay mamoy no liana
latina
411.
Toy ny aretin'omby ny teny, ka izay mirehodrehoka no hifindrany
latina
412.
Mitolona am-batolampy ka izay ratsy fihazona no vaky loha
latina
413.
Ny ady volom-balala: ka izay tia azy ihany no ditsoka
latina
414.
Lon-damba sy fahenim-bary, ka izay maharitra ela dia herinandro.
latina
415.
Izay hajaina tsy ho andriana tsy akory, ary izay manaja tsy ho andevo tsy akory, ka tsara raha mifanaja.
latina
416.
Ny fihavanana ohatra ny famoriana tain'omby: ka izay mahavezivezy no mahafeno harona aloha
latina
417.
Ny fihavanana toy ny fasam-Bazimba, ka izay mandrava aloha no kely ila.
latina
418.
Aza atao famaky manan-tsiny amin'izay kiakiak'akoho
latina
419.
Miandry ondry zato, miambina omby arivo, ka tsy ilaozan'izay mania.
latina
420.
akofam-bary, tsy menatra izay hiankandrefana
latina
Voalohany
Mialoha
12
13
14
15
16
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0193