Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe izay
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
izay
Hampiditra ohabolana
481.
Izay ataon'ny tananao havia aza atao fantan'ny tananao havanana
doum
482.
Izay mitambatra vato izay misaraka fasika
doum
483.
Tana-kavia sy havanana ka izay tsy maharary manafosafo
doum
484.
Arabarabao ny mpandalo fa tsy fantatra izay horafozanina
doum
485.
Haleo henatra imaso toy izay fitia hafenina
doum
486.
Aleo tsongon'olon-tiana toy izay horo-pahavalo
doum
487.
Aleo mihina-kely toy izay mandry fotsy
doum
488.
Aleo mandina toy ny laferana toy izay kimavoka toy ny lohalika
doum
489.
Aleo mifanena @mpamosavy toyizay mifanena @mpandainga
doum
490.
Rafotsy be very laona ka miandry izay higadonany
doum
491.
toy ny tsy hita de iray ny fiainana ka lozan'izay tia roa
palince
492.
Izay ela nihetezana hono lava volo
vale
493.
Izay mahari-monina tonga efa-dahy
jentilisa
494.
Amboan-dreningodona, izay mitondra kitapo arahina avokoa.
jentilisa
495.
Ny anadahy toy ny vodi-fahitra: na soa na ratsy izay manjo lazaina avokoa.
jentilisa
496.
lalao amin-jaza ka atao izay tsy hampitomany azy.
jentilisa
497.
Maromaroa ny fiteraka fa tsy hilaozan'izay ho tsara.
jentilisa
498.
Veliranon'amboa izay maty aloha hohanina
jentilisa
499.
Aleo enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny eritreritra
JMR
500.
Poa tahak'izay toa firaisan'akoho : indray mitsaingoka dia vita
JMR
501.
Lehilahy miloloha tantely, mibaby akondro, misekelika fary, izay rehetra nentiny mamy avokoa.
jentilisa
502.
Izay tsy miady olom-bodo, izay to fo mamosavy.
jentilisa
503.
Miantso an-dohariana, manao izay tsy ifandrenesana.
jentilisa
504.
Mikopa-damba anaty zavona, manao izay tsy ifankahitana.
jentilisa
505.
tantanana sy riandriana ka tsy matahotra izay hifandona.
jentilisa
506.
Fanalolahy za-dririnina ka tsy miraika amin'izay tora-bato.
jentilisa
507.
Ny teny toy ny fonosana, izay mamono no mamboraka
jentilisa
508.
Izay azo avy amin'ny makarakara dia hivoaka amin'ny kiloadoaka
JMR
509.
Rafotsibe nita rano izay mahasoa ataon'Andriamanitra
zanita
510.
hazakazaka arahitosika ity ny fiainana ka izay voky ihany no lelafin'ny namany, fa rehefa kely ianao de toy ny rafotsibe kendan'ny vomanga ka any antenda no manitsy azy
palince
Voalohany
Mialoha
15
16
17
18
19
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.6244