Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe izay
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
izay
Hampiditra ohabolana
481.
Izay nantenain-kanirina indray no maika vo nampivandravandra
doum
482.
Izay ataon'ny tananao havia aza atao fantan'ny tananao havanana
doum
483.
Izay mitambatra vato izay misaraka fasika
doum
484.
Tana-kavia sy havanana ka izay tsy maharary manafosafo
doum
485.
Arabarabao ny mpandalo fa tsy fantatra izay horafozanina
doum
486.
Haleo henatra imaso toy izay fitia hafenina
doum
487.
Aleo tsongon'olon-tiana toy izay horo-pahavalo
doum
488.
Aleo mihina-kely toy izay mandry fotsy
doum
489.
Aleo mandina toy ny laferana toy izay kimavoka toy ny lohalika
doum
490.
Aleo mifanena @mpamosavy toyizay mifanena @mpandainga
doum
491.
Rafotsy be very laona ka miandry izay higadonany
doum
492.
toy ny tsy hita de iray ny fiainana ka lozan'izay tia roa
palince
493.
Izay ela nihetezana hono lava volo
vale
494.
Izay mahari-monina tonga efa-dahy
jentilisa
495.
Amboan-dreningodona, izay mitondra kitapo arahina avokoa.
jentilisa
496.
Ny anadahy toy ny vodi-fahitra: na soa na ratsy izay manjo lazaina avokoa.
jentilisa
497.
lalao amin-jaza ka atao izay tsy hampitomany azy.
jentilisa
498.
Maromaroa ny fiteraka fa tsy hilaozan'izay ho tsara.
jentilisa
499.
Veliranon'amboa izay maty aloha hohanina
jentilisa
500.
Aleo enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny eritreritra
JMR
501.
Poa tahak'izay toa firaisan'akoho : indray mitsaingoka dia vita
JMR
502.
Lehilahy miloloha tantely, mibaby akondro, misekelika fary, izay rehetra nentiny mamy avokoa.
jentilisa
503.
Izay tsy miady olom-bodo, izay to fo mamosavy.
jentilisa
504.
Miantso an-dohariana, manao izay tsy ifandrenesana.
jentilisa
505.
Mikopa-damba anaty zavona, manao izay tsy ifankahitana.
jentilisa
506.
tantanana sy riandriana ka tsy matahotra izay hifandona.
jentilisa
507.
Fanalolahy za-dririnina ka tsy miraika amin'izay tora-bato.
jentilisa
508.
Ny teny toy ny fonosana, izay mamono no mamboraka
jentilisa
509.
Izay azo avy amin'ny makarakara dia hivoaka amin'ny kiloadoaka
JMR
510.
Rafotsibe nita rano izay mahasoa ataon'Andriamanitra
zanita
Voalohany
Mialoha
15
16
17
18
19
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0229