Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe izay
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
izay
Hampiditra ohabolana
1.
Papango lahy anaty katsaka ka izay mivoaka babany avokoa
RIJA08
2.
vava-kisoa misy sira ka asakasak`izay hihinana azy
RIJA08
3.
Trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena hialofana
RIJA08
4.
Rafotsibe very laona ka miadry izay higadonany
RIJA08
5.
Tanan-kavia sy havanana ka izay didi-maharary
RIJA08
6.
Aleo enjehin`ny omby masiaka toy izay enjehin`ny eritreritra
RIJA08
7.
Enga anie ny devoly izay mitady handrebireby anareo, ho tahaka ny bararata amoron-drano, ka hangovitra mandram-pahafatiny
Azrael666
8.
Omby masiaka mifatotra ny marina ka loza hoan'izay mamoraka azy. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
9.
Izay mahay mihaino no mahay miteny
hery
10.
Aleo maty olo-manga toa izay velona olo-meloka
hery
11.
Aleo mamoy kely itsaboana, toy izay hamoy be andevenana
mltfm
12.
Izay adala no toa an-drainy
Jujutsu
13.
Izay mazoto manompo tsy very anjara
Tambanivohidahy
14.
Aleo miadan-ko reniny toy izay mitsatsaingoka ho vantony
aivetinakely
15.
Aleo mamoy iray alina hitsaboana; toy izay ivoahana an'hetsiny mandevina!
mltfm
16.
Mananjara izay mahasahy, fa ny tsy fanĂ nana efa ho lava.
Tambanivohidahy
17.
Ny tsiny, mantsy, tahaka ny haran-domotra saron-javona ka izay mitsakatsaka ratsy fisikina no solafaky ny setrasetran-tsahondra ka zary very faty eny an-tenantenan-tsolatra
tantanana
18.
sambatra izay itoerany fa ny nandalovany aza misento
Jocelyn Bellarmain
19.
Raha ny lalana no tian-ko tody, tsy jerin'ny mpanesy araiky fa jeriny omban'izay entiny.
Maminirinaheryz_
20.
Tranoben'Antananarivo ka izay mahavita aloha no manenina.
lraharimalala27
21.
Rafotsibe mitarano,izay mahasoa ataon'Andriamanitra
Jj.be
22.
Tsy ahoanao inona izay vavan'olona any, zory andeha amin'ny fahamarinana hatrany ny fiainanao dia ampy
niryna
23.
Aleo misoroka toa izay sorohina
rvsn5
24.
"Arahabarahabao ny olona , fa tsy fantatra izay horafozanina "
rivaldobessadara19
25.
Ny fahafinaretana no tiana ho azo, ka izay nasaina atao lazaina fa mety.
Nassa
26.
Aleo Manao Zavatra Vokatra Ny Fo Misy Tanjona Atao,toy Izay Manaonao Fotsiny Tsisy Dikany
Avoss
27.
aleo maty ,toy izay mijaly
Avoss
28.
toko tapaka vilany mitongilana na be na kely fa izay mahita ny marina mba milazĂ
marsonxavier5
29.
Torabato avy any andanitra ny fahafatesana , ka tsy fantatra izay ho latsahany.
Benjamadagasikara
30.
aleo mifanalavitra mifamono akoho toy izay mifanakaiky mifamono aliaka
ratefihajaina
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0372